Categories
Jôba

Jôba 15

Miteny manameloka ny tenany i Jôba

1 Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao hoe:

2 «Moa fahaizana tsy misy fotony va no amalian’ny olon-kendry?

Ataony mivozihitra rivotra va ny vatany?

3 Moa va izy miaro tena amin’ny teny foana,

sy amin’ny lahateny tsy misy antony?

4 Ianao kosa mandrava hatramin’ny fahatahorana an’Andriamanitra,

dia manafoana mihitsy rehefa mety ho fitiavam-bavaka amin’Andriamanitra.

5 Vavanao no manambara ny fahadisoanao,

sy fitenin’ny mpanoloky no ataonao.

6 Tsy izaho fa ny vavanao no manameloka anao,

ny molotrao no miteny miampanga anao.

7 Ianao va no teraka voalohany tamin’ny olombelona?

Ianao va nateraka talohan’ny havoana?

8 Nanatrika ny fivoriam-pisainan’Andriamanitra va ianao?

Voarombakao ho anao irery va ny fahendrena?

9 Inona no fantatrao, tsy fantatray?

Inona no nianaranao, ka tsy mahazatra anay izany?

10 Eo aminay mba misy koa ny efa fotsy volo,

ny anti-panahy lava andro niainana noho irainao!

11 Ka ataonao ho zavatra kely va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra,

sy ny teny mamy ataonay aminao?

12 Fa entin’ny fonao mankaiza ity ianao,

ary maninona izato masonao no mihebiheby?

13 Andriamanitra va ataonao hiharan’ny hatezeranao,

ary ny vavanao va no hamoahanao lahateny toy izany?

14 Fa inona ny olombelona no mba hadio,

izay tera-behivavy, no mba ho marina?

15 Indro ireo masiny aza, tsy mahatoky an’Andriamanitra,

ary ny lanitra, tsy madio eo anatrehany,

16 koa mainka izay zava-betaveta sy ratsy fanahy,

izay olombelona misotro ota toy ny fisotro rano!

17 Hampianatra anao aho ka mihainoa;

ny zavatra hitako no hambarako,

18 dia izay ampianarin’ny olon-kendry,

Efa reny tamin’ny razany ka tsy afeniny,

19 izy ireo no hany nomena ny tany,

ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy na oviana na oviana.

20 Ahiahy lava no mihinana ny ratsy fanahy amin’ny androny rehetra;

taona vitsy isa, no hany voatokana ho an’ny mpampahory.

21 Feo mahatsiravina no migingìna ao an-tsofiny,

raha eo afovoan’ny fiadanana izy no irotsahan’ny mpandrava.

22 Tsy mba manantena ho afaka haizina izy,

ary tsaroany tsikiloin-tsabatra lava izao.

23 Mirenireny izy mba hitady ny mofony;

fantany fa ny andron’ny maizina dia efa vonona ao an’ilany.

24 Ianjeran’ny fahoriana aman-tebiteby izy,

hoatra ny mpanjaka àry fitaovan-kiady no fiantorak’ireny aminy.

25 Satria nanainga tanana hamely an’Andriamanitra izy,

nihaika ny Tsitoha izy,

26 nanamafy hatoka nimaona hamely Azy izy:

eo ambanin’ny vohon’ampingany matevina.

27 Efa safotry ny taviny ny tavany

sady manotraka be ny valahany.

28 Ny tanàna fonenany dia foana tsy misy intsony,

ny trano tsy misy olona intsony,

zary korontam-bato no halehany.

29 Tsy hahazo harena intsony izy, ny fananany tsy haharitra,

ny fananany tsy hitatra intsony eto ambonin’ny tany.

30 Izy tsy ho afa-mandositra ny haizina,

ny solofony ho levon’ny afo,

ary hofaohin’ny fofon’aina avy amin’ny vavan’Andriamanitra izy.

31 Aoka tsy hitoky amin’ny fitaka izy, fa voafandrik’izany:

ny lainga no valy ho azony.

32 Hanjò azy alohan’ny hahafeno ny androny, izany valy izany,

ka tsy ho maitso intsony ny sampany.

33 Hanintsam-boa vao mibontana, toy ny voaloboka, izy;

avelany hiraraka, toy ny an’ny ôliva, ny voniny.

34 Fa tsy hisy taranaka ny tranon’ny tsy mivavaka,

ary ho levon’ny afo ny lain’ny mpitsara voasisika.

35 Torontoronina loza izy, ka miteraka antambo.

Voam-pitaka no masaka ao an-kibony.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *