Categories
Jôba

Jôba 13

1 «Indro fa nahita izany rehetra izany ny masoko,

ary ny sofiko nandre sy nahalala izany.

2 Izay fantatrareo, dia fantatro koa;

tsy latsaka noho ianareo aho na amin’inona na amin’inona.

3 Fa amin’ny Tsitoha no tiako hitenenana,

amin’Andriamanitra no tiako handaharana ny amin’ny adiko.

4 Fa ianareo, dia mpamahan-dalitra foana,

mpitsabo tsy vanon-ko inona avokoa ianareo.

5 Injay mba mangina ianareo!

fa izany no solom-pahendrena ho anareo.

6 Masìna ianareo, henoy ny fanamarinako tena,

tandremo izay alahatry ny molotro momba ny adiko.

7 Hilaza lainga va ianareo hanamarina an’Andriamanitra,

fitaka va no hataonareo hiarovana Azy?

8 Hizaha tavan’olona ianareo momba an’Andriamanitra

sy hitsangana ho mpisolo vava?

9 raha ny fonareo no mba zahàny toetra,

hankasitraka anao va Izy amin’izany?

Hofitahinareo toy ny famitaka olombelona va Izy?

10 Tsy maintsy hohelohiny mihitsy ianareo,

raha mizaha tavan’olona mangingina ianareo.

11 Eny hampivadi-po anareo ny fahalehibeazany,

hianjera aminareo ny fampitahorany.

12 Fa hevi-javona ny porofonareo,

trano manda fotaka ny mandanareo.

13 Mangina ianareo, avelao aho fa te hiteny;

dia hanjò ahy izay hanjò ahy.

14 Te haka ny nofoko amin’ny nifiko aho,

te hametraka ny aiko eo an-tanako aho.

15 Na dia hovonoina aza aho, ka tsy manan-kantenaina intsony,

dia hiaro ny fitondran-tenako eo anatrehany aho.

16 Nefa Izy no famonjena ahy,

fa ny tsy mivavaka tsy mba mety miseho eo anatrehany.

17 Ka henoy àry ny teniko,

manongilàna sofina amin’izay halahatro.

18 Indro efa voalahatra ny amin’ny adiko

ary fantatro fa hahazo ny rariny aho.

19 Moa misy te handahatra hamely ahy?

dia hangìna eo no ho eo ihany aho, dia ho faty.

20 Fa mba halaviro ahy ireto zavatra roa ireto, ry Andriamanitra,

dia tsy hiery hiala eo anatrehan’ny Tavanao aho.

21 Esory tsy hitambesatra amiko ny tananao,

ary aoka tsy hampivadi-po ahy ny fampitahoranao.

22 Amin’izay, dia antsoy aho fa hamaly,

na izaho no hiteny aloha, ary hamaly kosa Ianao.

23 Firy no isan’ny fahadisoako amam-pahotako?

ampahalalao ahy izay fiodinako aman-dratsy nataoko.

24 Nahoana Ianao no manafina ny Tavanao toy izao,

sy mijery ahy toy ny fahavalonao!

25 Moa te hampitahotra ravin-kazo hozongozonin’ny rivotra va Ianao,

hanenjika vodivary maina,

26 no dia ny hadisoan’ny fahatanorako no ampanodiavinao ahy,

27 no dia ampidirinao amin’ny boloky hazo ny tongotro,

no dia tsikilovinao avokoa izay halehako,

28 no dia feranao koa izay hodiaviko?

Ny nofoko anefa ity efa mihalevona hoatra ny hazo vovohina,

sy tahaka ny fitafiana hanin’ny kalalao.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *