Categories
Estera Grika

Estera Grika 11

Nofin’i Mardokea

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ptôlemea sy i Kleopatra, i Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin’ny taranak’i Levì, sy i Ptôlemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Froraiizany, izay lazain’izy ireo ho tena marina sy nadikan’i Lisimaka, zanak’i Ptôlemea ao Jerosalema.

2 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asoerosy mpanjaka lehibe, andro voalohan’ny volana Nisàna, dia nanonofy i Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa, avy amin’ny firenen’i Benjamina.

3 Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan’i Sosa, lehilahy malaza anisan’izay ao an-dapan’ny mpanjaka.

4 Isan’ny babo nentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, avy any Jerosalema, niaraka tamin’i Jekôniasa, mpanjakan’i Jodà izy.

5 Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany.

6 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady.

7 Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin’ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan’ny olo-marina.

8 Tampoka indray, nisy andro maizina sy haizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin’ny tany.

9 Natahotra ny hozoin’ny loza mafy indrindra ny vahoakan’ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty.

10 Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, ary tamin’ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan’ony lehibe sy rano be.

11 Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin’ny fahazimbana, ka nandrapaka ireo tanatin’ny voninahitra.

12 Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain’Andriamanitra hatao i Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin’ny andro, hahalala izay hevitr’izany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *