Categories
Jodita

Jodita 16

1 Tamin’izay i Jodita dia nihira izao hira izao tamin’ny Tompo:

2 «Mankalazà ny Tompo, amin’ny fidoboky ny amponga. Mihirà ny Tompo amin’ny kipantsona; Miraisa feo hanaovana hira vaovao ho voninahiny, ankalazao sy hobio ny anarany.

3 Ny Tompo manapitra ny ady; Tompo no anarany!

4 Niorin-toby eo afovoan’ny vahoaka Izy, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika rehetra.

5 Tonga i Asora avy amin’ireo tendrombohitra, avy any amin’ny lafin-tany Avaratra nomban’ny miaramilany alinalina: nahatohana ny riana ny hamaroany, ary naharakotra ny lohasaha ny soavaliny.

6 Nanampò handevona ny faritaniko tamin’ny afo izy, sy hamono ireo zatovo lahiko amin’ny sabatra, hifaoka ny zanako ho babo, ary ny virjiny zanako ho sambo-belona.

7 Kanjo ny fahafaham-baraka no natolotry ny Tompo tsy toha azy, natolony ho eo an-tanam-behivavy izy, ka resiny.

8 Tsy mba tovolahy mamely no nandavo ny maheriny, tsy mba zanaky ny mahery no namely azy, tsy ny lehilahy rangavina no niady taminy, fa i Jodita ihany, zanakavavin’i Merarì, no nampitsingidina azy, tamin’ny hatsaran-tarehiny.

9 Napetrany ny akanjo-mpitondratena teny aminy, niramatra ny fitafiany fanao amin’ny fety izy, mba ho fandresen’ny zanak’i Israely.

10 Notsotsorihany diloilo manitra ny tavany, naolanolany tsara teo ambany lamba fehiloha ny volon-dohany. Akanjo vaovao no nentiny hamandrihany azy

11 Ny famirapiratry ny kapany nahajamba ny mason’itsy, ny hatsaran-tarehiny nahababo ny fony, notapahiny tamin’ny sabatra ny lohany.

12 Ny Persa nangovitra tamin’ny faherezam-panahiny; ary ny Meda, tamin’izato hasahiany.

13 Finaonaonana indray no nanakoako tao an-tobin’ny Asirianina; nony nitranga ny nomba ahy, efa trotraka sy mainan’ny hetaheta.

14 Zanaka lahin’ny vantotr’olona no nitomboka azy sy namono azy efa toy ny ankizy mandositra; ka maty an’ady teo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo Andriamanitro izy ireo.

15 Miventesa hira ho an’ny Tompo, mihirà hira vao ho an’ny Tompo:

16 Ry Tompo ambony indrindra, lehibe Ianao ry Tompo, ary fatratra amin’ny fahefanao Ianao, ary tsy misy mahahoatra Anao!

17 Aoka anie hanompo Anao avokoa ny arin-tananao, fa niteny Ianao, dia vita ny zavatra rehetra, naniraka ny fanahinao Ianao, dia àry ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra ny feonao.

18 Ny tendrombohitra mbamin’ny rano mihovotrovotra hatrany am-potony, ny vato miempo toy ny savoka eo anoloan’ny Tavanao;

19 fa izay matahotra Anao kosa anefa, dia lehibe eo anatrehanao, amin’ny zavatra rehetra.

20 Loza ho an’ny firenena mitsangan-kamely ny vahoakako! Fa ny Tompo, ny tsy toha no hamaly izay ataony, hanadina azy Izy amin’ny andro fitsarana.

21 Hatolony amin’ny afo aman-kankana ny nofon’ireny, mba ho may sy hahatsiaro mangirifiry mandrakizay.»

22 Taorian’izany fandresena izany, nankany Jerosalema avokoa ny vahoaka, mba hitsaoka ny Tompo, ka vantany vao nidio izy ireo, dia nanatitra ny sorona dorana rehetra sy nanefa ny voadiny amam-bava nataony avy.

23 I Jodita kosa nanatitra ny fiadian’i Hôlôferinarehetra nomen’ny vahoaka azy, mbamin’ny elom-pandriana nalainy teo amin’ny farafara, ho anatemafanadinoana.

24 Nanao fifalian-dehibe teo anoloan’ny fitoerana masina ny vahoaka rehetra, ary naharitra telo volana no nifaliana tamin’izany fandresena izany, niaraka tamin’i Jodita.

Fahanteran’i Jodita sy ny nahafatesany

25 Nony tapitra izany andro fety izany, samy nody any an-tranony avy ny olona; nomem-boninahitra tao Betolia i Jodita, ary nahazo laza lehibe eran’ny tanin’i Israely izy.

26 Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin’ny andro sisa niainany, taorian’ny nahafatesan’i Manasesa vadiny.

27 Niseho tamin-kaingo kanto izy isaky ny andro fety.

28 Nony efa 105 ny andro nitoerany tao an-tranon’ny vadiny, ary efa novotsorany ilay ankizy vaviny, dia maty izy, ka nalevina tao Betolia, tao amin’ny vadiny,

29 ary nitomany azy hafitoana ny vahoaka rehetra.

30 Tsy nisy olona nanabataba an’i Israely, tamin’ny andro rehetra niainany, sy taona maro taorian’ny nahafatesany.

31 Nataon’ny Hebrio anisan’ny andro masina, ny andro fety naorina ho fahatsiarovana io fandresena io, ka nankalazain’ny Jody hatramin’izany andro izany, ka mandrak’androany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *