Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 16

1 Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny Tempoly aho, nilaza tamin’ny Anjely fito hoe: «Mandehana araraho amin’ny tany ny ao amin’ny kapoaka fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra.»

2 Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin’ny sariny.

3 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ranomasina koa ny Anjely faharoa, dia tonga tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka may avokoa ny zava-manana aina rehetra tao anatiny.

4 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano.

5 Ary reko ny Anjelin’ny rano nanao hoe: «Marina Ianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina Ianao izay nitsara toy izao.

6 Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»

7 Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»

8 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny masoandro koa ny Anjely fahefatra, dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo io,

9 ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.

10 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;

11 nefa ny manevateva an’Andriamanitra noho ny fijaliany sy ny feriny no nataony, fa tsy ny mibebaka tamin’ny asany.

12 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.

13 Dia nisy fanahy maloto telo, hoatra ny sahona, hitako nivoaka avy any am-bavan’ny Dragona, sy avy any am-bavan’ny Biby, ary avy any am-bavan’ny mpaminany sandoka.

14 Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. –

15 Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. –

16 Ary any amin’ny fitoerana atao amin’ny teny hebrio hoe: Armagedaonano namoriana azy ireo.

17 Raha efa izany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny rivotra ny Anjely fahafito, dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny Tempoly, teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: «Vita.»

18 Ka nisy tselatra sy feo ary kotro-baratra mbamin’ny horohoron-tany; tsy mbola nisy horohoron-tany mafy hoatra izany na oviana na oviana, hatrizay nisian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany.

19 Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.

20 Ny nosy, nandositra daholo; ny tendrombohitra, tsy hita intsony,

21 ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta irayny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *