Nanohitra an’i Atalia ny mpitondra fivavahana
1 Tamin’ny taona fahafito, rehefa nihanahery i Jôiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak’i Jerôhama, i Ismaela zanak’i Johanàna, i Azariasa zanak’i Obeda, i Maasiasa zanak’i Adaiasa, ary i Elisafata zanak’i Zekri.
2 Niteny an’i Jodà ireo, namory ny Levita tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra mbamin’ny loham-pianakaviana amin’i Israelydia tonga tany Jerosalema izy ireo.
3 Nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy i Jôiadà tamin’izy ireo: «Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan’i Iaveh, ny amin’ny taranak’i Davida.
4 Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo, izay miditra hanao fanompoana amin’ny andro sabata, na mpisorona na Levita, dia hatao mpiambim-baravarana;
5 ny ampahatelony ho eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, ny ampahatelony ho eo am-bavahadin’i Jesoda, ary ny vahoaka rehetra ho eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh.
6 Aza misy miditra ao an-tranon’i Iaveh afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita manao fanompoana ihany; ireo no mahazo miditra ao, satria masina ireo; ary ny vahoaka rehetra tsy maintsy mitandrina ny fandaharan’i Iaveh.
7 Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha nisy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy ianareo.»
8 Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.
9 Natolotr’i Jôiadà mpisorona an’ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman’ampinga nananan’i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon’Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely.
10 Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.
11 Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok’andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran’i Jôiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
12 Nony ren’i Atalia ny fihahohahon’ny vahoaka nidodododo sy nihoby ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’i Iaveh izy.
13 Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
14 Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»
15 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, ka lasa nankany amin’ny fidirana eo am-bavahadin-tsoavaly ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ravehivavy, ka dia tao no namonoana azy.
Fanitsiana nataon’i Jôiadà
16 Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.
17 Koa niditra tao an-tranon’i Baala ny vahoaka rehetra, dia noravany io, notorotoroiny ny ôtely mbamin’ny sarin-javatra teo, ary novonoiny teo anoloan’ny ôtely i Matàna mpisoron’i Baala.
18 Ary nametrahan’i Jôiadà mpitandrina ny tranon’i Iaveh eo ambany fifehezan’ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin’i Davida tao an-tranon’i Iaveh, hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain’i Davida hatao.
19 Nasiany mpiandry ny varavaran’i Iaveh, mba tsy hisy olona voaloton’inon’inona hiditra eo.
20 Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.
21 Nifaly ny vahoaka rehetra amin’ny tany ary nandry feizay ny tanàna. Fa i Atalia novonoina tamin’ny sabatra.