Ny ady
1 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jerôbôama no vao nanjaka tamin’i Jodà i Abià, ary telo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà.
Niady i Abià sy i Jerôbôama.
3 Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.
Ny lahatenin’i Abià
4 Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!
5 Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?
6 Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.
7 Olona tsinontsinona, zanak’i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRôbôama zanak’i Salômôna. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra i Rôbôama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo.
8 Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.
9 Tsy efa narianareo va ny mpisoron’i Israely, dia ny taranak’i Aarôna sy ny Levita, ary moa tsy nananga-mpisorona ho anareo va ianareo, toy ny firenen’ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron’izay tsy Andriamanitra.
10 Fa ny anay kosa: I Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy Azy izahay, ny taranak’i Aarôna no mpisorona manao fanompoana ho an’i Iaveh, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany.
11 Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
12 Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin’ny trômpetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ry zanak’i Israely, fa tsy hahomby anie ianareo!»
Ny ady
13 Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony.
14 Niherika i Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin’i Iaveh izy, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona.
15 Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà.
16 Dia nandositra teo anoloan’i Jodà ny zanak’i Israely ary natolotr’Andriamanitra ho eo an-tanany.
17 Ka nataon’i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina 500.000 no maty niampatrampatra tamin’i Israely.
18 Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.
Ny niafaran’ny fanjakan’i Jerôbôama
19 Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.
20 Tsy nahazo hery intsony i Jerôbôama tamin’ny andron’i Abià, fa nokapohin’i Iaveh izy ka maty.
21 I Abià kosa nitombo hery, nanam-bady 14 izy, ary niteraka lahy 22 sy vavy 16.
22 Ny sisa tamin’ny asan’i Abià mbamin’ny nataony sy ny teniny, dia efa voasoratra ao amin’ny boky Fitadidian’i Adô mpaminany.
23 Ary nody mandry any amin’ny razany i Abià ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany no nanjaka nandimby azy.
Fandriam-pahalemana tamin’ny andron’i Asà
Nandry folo taona ny tany tamin’ny androny.