1 Tamin’ny taona fahasivynanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.
2 Natao fahiranohatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesiasa ny tanàna.
3 Tamin’ny andro fahasivin’ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy mofo intsony ho an’ny vahoakan’ny tany,
4 dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo. Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.
5 Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeaninany mpanjaka, ka tratrany teo an-tany lemak’i Jerikô; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra.
6 Nony voasambotr’izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Reblà, amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo.
7 Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Fandrobana an’i Jerosalema. Sesitany faharoa
8 Tamin’ny volana fahadimy, andro fahafiton’ny volana, taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, dia tonga tao Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina mpanompon’ny mpanjakan’i Babilôna.
9 Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
10 Ary noravan’ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay niaraka tamin’ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda mamaritra manodidina an’i Jerosalema.
11 Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny vahoaka be sisa rehetra,
12 fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
13 Nopotehin’ny Kaldeanina ny andry varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, mbamin’ny fanambanim-pitoeran-drano ary ny ranomasina varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, ka nentiny ho any Babilôna ny varahina.
14 Nentiny koa ny vilany, ny sotron’afo, ny antsy, ny kapoaka, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, nenti-nanao ny fanompoana.
15 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny fanembohana sy ny tasy, ny zavatra volamena sy ny zavatra volafotsy.
16 Ny amin’ny andry roa sy ny ranomasina, ary ny fanambanim-pitoeran-drano nataon’i Salômôna tao amin’ny tranon’i Iaveh, dia tsy nisy fotony intsony ny handanjana ny varahina amin’ireo fanaka rehetra ireo.
17 Ny andry iray dia 18 hakiho ny haavony, ary teo amboniny dia nisy koronosy varahina, ary telo hakiho ny haavon’ny koronosy, ary nisy harato sy voan’ampongabendanitra nanodidina ny koronosy, ka varahina avokoa izany rehetra izany; torak’izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato aminy.
18 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.
19 Azony tao an-tanàna ny manamboninahitra anankiray mpifehy ny lehilahy mpiady, ny olona dimy lahy isan’ny mpanolo-tsaina manoloana ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny filohan’ny tafika, miadidy ny fandatsahana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary 60 lahy amin’ny vahoakan’ny tany, izay hita tao an-tanàna.
20 Nony azon’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tany Reblà.
21 Ka novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna nataony maty tany Reblà any amin’ny tany Emata.
Toy izany no nitondrana an’i Jodàho babo lavitry ny taniny.
I Godoliasa, mpifehy an’i Jodà
22 Ny amin’ny vahoaka tafajanona tany amin’ny tanin’i Jodà, navelan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna kosa, dia i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna no notendreny ho mpanapaka azy.
23 Ren’ny lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia izy sy ny olom-peheziny avy, fa hoe i Godoliasa no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka, dia tonga nanatona an’i Godoliasa tany Masfà izy ireo: i Ismaela zanak’i Nataniasa; i Johanàna, zanak’i Karea; i Saraiasa zanak’i Tanehometa avy ao Netôfa, ary i Jezoniasa zanak’ilay Maakatianina, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24 Ka tamim-pianianana no nilazan’i Godoliasa tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny hoe: «Aza misy atahoranareo akory raha ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeanina, fa monena amin’ny tany, manompoa ny mpanjakan’i Babilôna, fa izany no hanasoa anareo.»
25 Kanjo nony tamin’ny volana fahafito, tonga i Nataniasa zanak’i Elisamà, isam-pianakavian’ny mpanjaka, nomban’olona folo lahy, ka namono nahafaty an’i Godoliasa mbamin’ireo Jody sy Kaldeanina teo aminy tany Masfà.
26 Ka ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ireo lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia niainga ka lasa nitsoaka nankany Ejipta fa natahotra ny Kaldeanina.
Tafarina i Joasina mpanjaka
27 Tamin’ny taona faha-31 nahalasan-ko babo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana faha-12, andro faha-27n’ny volana, dia nasandratr’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, ny lohan’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin’ny taona nahatongavany ho mpanjaka.
28 Nanaovany teny soa izy, nataony ambonin’ny seza fiandrianan’ireo mpanjaka teo aminy tany Babilôna ny seza fiandrianany,
29 nasainy nosoloina ny fitafianytany an-tranomaizina, ary nihinan-kanina mandrakariva teo anatrehany izy, tamin’ny andro niainany rehetra.
30 Ny amin’ny fivelomany, dia ny fivelomany lalandava, dia ny mpanjaka no niantoka izany isan’andro tamin’ny andro rehetra niainany.