Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 21

Ny nanjakan’i Manase tany Jodà (687-642)

1 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka, ary 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hafsibà.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

3 Naorina indray ny fitoerana avo noraran’i Ezekiasa rainy, nanangana ôtely ho an’i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon’i Akaba mpanjakan’i Israely, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny.

4 Nanorenany ôtely ny tranon’i Iaveh izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ao Jerosalema no hametrahako ny Anarako.»

5 Otely ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh.

6 Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.

7 Ny sampin’i Astarte nataony, napetrany tao amin’ny trano izay nolazain’i Iaveh tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity trano ity, sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra, no hametrahako ny Anarako mandrakizay.

8 Tsy hampandehandeha ny tongotr’i Israely hiala amin’ity tany nomeko ny razany ity intsony Aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko azy.»

9 Kanjo tsy nety izy ireo, ary nampivily azy i Manase ka nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena rehetra naringan’i Iaveh teo anoloan’i zanak’i Israely.

10 Ary tamin’izay, dia niteny i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany mpanompony nanao hoe:

11 «Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,

12 dia izao kosa no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hahatonga loza ho any amin’i Jerosalema sy i Jodà, ka izay rehetra handre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.

13 Hohenjaniko amin’i Jerosalema ny famolain’i Samaria sy ny pilaon’ny fianakavian’i Akaba. Hamoaka an’i Jerosalema Aho ho toy ny lovia izay faohina sy ahohoka rehefa avy nofaohina.

14 Hafoiko ny lovako sisa, fa hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony, ka ho tonga sambotra sy babon’ny fahavalony:

15 satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra Ahy, hatramin’ny andro nivoahan’ny razany tany Ejipta ka mandrak’ankehitriny.»

16 Afa-tsy ny fahotany izay nampanotany an’i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason’i Iaveh, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa i Manase, ka feno izany i Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.

17 Ny sisa* tamin’ny asan’i Manase, mbamin’izay rehetra nataony, sy ny fahotana vitany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

18 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tanimbolin’ny tranony, dia tao amin’ny tanimbolin’i Ozà. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Amôna tany Jodà (642-640)

19 22 taona i Amôna fony tonga mpanjaka, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Mesalemeta, zanak’i Harosa, avy any Jetebà.

20 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, tahaka ny nataon’i Manase rainy,

21 fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan-drainy izy; nanompo ny sampy notompoin-drainy izy, ary niankohoka teo anatrehan’ireny.

22 Nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy, ary tsy nandeha tamin’ny lalan’i Iaveh.

23 Nikomy tamin’i Amôna ny mpanompony ka namono ny mpanjaka tao an-tranony.

24 Novonoin’ny vahoakan’ny tany kosa anefa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka, ary i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoakan’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.

25 Ny sisa tamin’ny asan’i Amôna, mbamin’izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

26 Tao amin’ny fasany ao amin’ny tanimbolin’i Ozà no nalevina izy; ary i Josiasa zanany no nanjaka nandimby azy

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *