Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 17

Fanambaràna mialoha ny hain-tany

1 Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»

Teo amin’ny ranon-driaka Karita

2 Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3 «Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.

4 Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any.»

5 Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’i Iaveh, ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.

6 Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.

Tao Sareftà. Fahagagana nitomboan’ny lafarina sy ny menaka

7 Nony afaka kelikely anefa, dia ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany,

8 ka tonga taminy ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe:

9 «Miaingà ianao ka mankanesa any Sareftà, izay an’i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.»

10 Dia niainga izy, ka nankany Sareftà. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: «Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko!»

11 Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: «Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao.»

12 Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan’ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay.»

13 Fa hoy i Elia taminy: «Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatỳ amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.

14 Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pahavin’ny andro handatsahan’i Iaveh ranonorana eto ambonin’ny tany.»

15 Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.

16 Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

Ny nananganana ho velona ny zanak’ilay vehivavy maty vady

17 Tatỳ aorian’izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon’aina intsony taminy.

18 Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»

19 Ary hoy ny navaliny azy: «Atolory ahy ny zanakao.» Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny tany amin’ny efitrano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany.

20 Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»

21 Ary niampatra intelo tamin’ny zaza izy, sady niantso an’i Iaveh nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain’ity zaza ity!»

22 Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Elia, ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza, dia tonga velona indray izy.

23 Ary noraisin’i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon’i Elia hoe: «Inty fa velona ny zanakao.»

24 Ka hoy ravehivavy tamin’i Elia: «Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’i Iaveh ao am-bavanao.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *