Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 15

Fanjakan’i Abiama tany Jodà (913-911)

1 Tamin’ny taona faha-18nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, no nahatongavan’i Abiama ho mpanjakan’i Jodà.

2 Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

3 Nandeha tamin’ny fahotan-drainy rehetra, izay nataony teo alohany izy, ary tsy mba an’i Iaveh, toy ny fon’i Davida rainy, ny fony manontolo.

4 Noho ny amin’i Davida anefa, i Iaveh Andriamaniny dia nanome faniloazy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an’i Jerosalema.

5 Satria i Davida nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh fa tsy mba nivily tamin’ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Oria, Heteanina, ihany.

6 Niady i Rôbôama sy i Jerôbôama tamin’ny andro rehetra niainany.

7 Ny sisatamin’ny asan’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Niady i Abiama sy i Jerôbôama.

8 Ary nody mandry any amin’ny razany i Abiama, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Asà tany Jodà (911-870)

9 Tamin’ny taona faharoapolon’ny nanjakan’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely, no nahatongavan’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.

10 41 taona no nanjakany tao Jerosalema, ary Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

11 Nanao izay mahitsyeo imason’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy i Asà.

12 Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy.

13 I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.

14 Nefa tsy dia foana ny fitoerana avo, na dia an’i Iaveh aza ny fon’i Asà manontolo, tamin’ny andro rehetra niainany.

15 Nampidirany ho eo an-tranon’i Iaveh ny zavatra natokan-drainy sy ny zavatra natokan-tenany, dia volafotsy sy volamena ary kapoaka.

16 Niady nandritra nyandro rehetra niainany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely.

17 Niakatra hamely an’i Jodà i Baasà, mpanjakan’i Israely, ary nanorina an’i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

18 Nalain’i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony; dia nalefan’ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin’i Ben-Hadada zanak’i Tabremôna, zanak’i Heziôna, mpanjakan’i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe:

19 «Aoka hisy fanekena, toy ny tamin-draiko sy tamin-drainao, amiko sy aminao. Ary indro aho mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao, ka andeha tsoahy ny fanekeko tamin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany atỳ amiko.»

20 Dia nohenoin’i Ben-Hadada i Asà mpanjaka, ka nirahiny ny filohan’ny tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka noreseny avokoa i Ahiôna, i Dana, i Abela-Bety-Maakà, mbamin’ny Kenerôta rehetra sy ny tanin’i Neftalì rehetra.

21 Nony nandre izany i Baasà, dia nitsahatra tsy nanorina an’i Ramà, fa nitoetra tao Tersà izy.

22 Ary nasain’i Asà nantsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran’i Baasà an’i Ramà, ka izany no nanorenany an’i Gabaàn’i Benjamina sy i Masfà.

23 Ny sisatamin’ny asa vitan’i Asà, mbamin’ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron’ny fahanterany.

24 Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Nadaba tamin’i Israely

25 Tamin’ny taona faharoan’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely i Nadaba zanak’i Jerôbôama; ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

26 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa nandeha tamin’ny lalan-drainy sy tamin’ny fahotan-drainy izay nampanaoviny an’i Israely.

27 Nanao teti-dratsy nanohitra azy i Baasà, zanak’i Ahiasa, amin’ny taranak’i Isakara, ka namely azy teo Gebetôna izay an’ny Filistinina; fa nanao fahirano an’i Gebetôna i Nadaba sy i Israely rehetra tamin’izay.

28 Dia matin’i Baasà izy, tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, ka dia izy no nanjaka nandimby azy.

29 Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Jerôbôama, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho olona velona koa tamin’ny fianakavian’i Jerôbôama, fa naringany daholo araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpanompony, avy any Silao,

30 noho ny fahotan’i Jerôbôama izay nataony sy izay nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’izany.

31 Ny sisa tamin’ny asa nataon’i Nadaba mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

32 Niady ihany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany.

Fanjakan’i Baasà tamin’i Israely (909-886)

33 Tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjaka tamin’i Israely rehetra tao Tersà kosa i Baasà zanak’i Ahiasa, ary 24 taona no nanjakany.

34 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ary nandeha tamin’ny lalan’i Jerôbôama sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *