Otan’i Amnôna tamin’i Tamara anabaviny
1 Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.
2 Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.
3 Nanan-tsakaiza anankiray atao hoe Jônadaba i Amnôna; zanak’i Semmaa rahalahin’i Davida izy io, ary lehilahy fetsy loatra i Jônadaba.
4 Ka hoy io taminy: «Nahoana ity ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no dia milonika be ihany toy izao isa-maraina? Tsy tianao halaza amiko va ny amin’izany?» Ka hoy i Amnôna taminy: «Tia an’i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko aho.»
5 Dia hoy i Jônadaba taminy: «Mandria eo am-parafara, ka modia marary. Ary rehefa tonga hamangy anao irainao, dia lazao aminy hoe: Avelao kely i Tamara anabaviko no ho avy hampihinan-kanina ahy, raha sitrakao; aoka hamboariny eo imasoko ny nahandro mba ho hitako, ary hihinana izany avy eny an-tanany aho.»
6 Dia nandry tokoa i Amnôna sy nody narary. Tonga namangy azy ny mpanjaka ary hoy i Amnôna taminy: «Raha sitrakao, aoka i Tamara anabaviko ho avy hanao mofomamy roa eto imasoko, ka hihinana izany avy eny an-tanany aho.»
7 Dia naniraka olona i Davida hilaza amin’i Tamara tao an-trano hanao hoe: «Mankanesa ao an-tranon’i Amnôna, anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.»
8 Lasa i Tamara nankao amin’i Amnôna anadahiny izay efa nandry. Naka koba izy, noditiny namboariny ho mofomamy teo imasony, ary nandrahoiny ny mofomamy;
9 raha efa izany, noraisiny ny lapoaly, dia noloarany teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa izy. Dia hoy i Amnôna: «Asaovy mivoaka hiala eto amiko ny olona rehetra.» Nony tafavoaka niala tao aminy daholo ny olona,
10 dia hoy i Amnôna tamin’i Tamara: «Ento ao anaty salobom-pandriana ny nahandro hihinanako azy avy eny an-tananao.» Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnôna anadahiny, tao anaty salobo-pandriana.
11 Kanjo, raha ilay nanolotra izany hohaniny iny izy, dia nosavihiny ka hoy izy taminy: «Avia handry amiko, ranabavy.»
12 Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’i Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany.
13 Izaho moa dia aiza no halehako hitondra ity henatro? ianao kosa dia ho toy ny anankiray amin’ny olona vetaveta amin’i Israely. Koa aoka hiteny amin’ny mpanjaka ianao, fa tsy handà ny hanome ahy ho anao izy!»
14 Tsy nety nihaino ny feony anefa izy, fa mahery noho razazavavy izy, ka nanaovany an-keriny io, dia nandriany.
15 Niaraka tamin’izay dia halan’i Amnôna fatratra razazavavy ary tafahoatra lavitra ny fitiavana nitiavany azy taloha ny halam-po nankahalàny azy, ka hoy i Amnôna taminy: «Mitsangàna ianao, ka mandehana any.»
16 Fa hoy izy namaly azy: «Ny ratsy nataonao tamiko dia aza ampiana fandroahana ahy, fa zava-dratsy kokoa indray izany.» Nefa tsy nety nihaino azy akory i Amnôna;
17 fa ny zatovo nanompo azy no nantsoiny, ka nataony hoe: «Roahy any ivelany lavitra ahy ravehivavy ity, dia arindrino ny varavarana rehefa tafavoaka izy.»
18 Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.
19 Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.
20 Hoy i Absalôma anadahiny taminy: «Tsy maintsy nalehan’i Amnôna anadahinao àry ianao izay ka? Fa amin’izao, ranabavy, mangina fa anadahinao iny, ka aza asiana alahelo ao am-ponao.» Dia tao an-tranon’i Absalôma anadahiny, no nitoetra i Tamara notsindrian’ny alahelony.
21 Tezitra mafy i Davida mpanjaka nony nandre izany rehetra izany.
22 I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.
Nampamono an’i Amnôna i Absalôma dia nandositra
23 Roa taona taorian’izay, dia tao amin’i Absalôma tao Baal-Hasôra akaikin’i Efraima ny mpanetyondry, ka nanasa ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra i Absalôma.
24 Nankao amin’ny mpanjaka i Absalôma nanao hoe: «Indro fa ao amin’ny mpanomponao ny mpanety ondry ka aoka ho any amin’ny mpanomponao ny mpanjaka sy ny mpanompony.»
25 Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absalôma: «Tsia, anaka, tsy handeha daholo izahay fandrao dia mahavaky tratra anao.» Nanao ditra ihany izy nefa tsy nandeha ny mpanjaka, fa nitso-drano azy.
26 Dia hoy i Absalôma: «Rehefa dia tsy handeha àry ianao dia avelao ahay i Amnôna rahalahiko handeha hiaraka aminay.» Ary hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Ahoana no hiarahany aminao?»
27 Fa mbola nanao ditra ihany i Absalôma, ka dia navelan’ny mpanjaka handeha hiaraka aminy i Amnôna sy ny zanaky ny manjaka rehetra.
28 Dia nomen’i Absalôma izao didy izao ny mpanompony, nataony hoe: «Tandremo fa rehefa falifalin’ny divay ny fon’i Amnôna ka hataoko hoe: Asio i Amnôna! Dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra satria tsy iza fa izaho no mandidy anareo ka matokia; misehoa ho mahery fo.»
29 Dia nasian’ny mpanompon’i Absalôma araka ny nandidian’i Absalôma azy i Amnôna. Ary tafatsangana avokoa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, dia samy nitaingina ny moleny avy ka vaky nandositra.
30 Mbola teny an-dalana izy ireo, dia efa tonga tao amin’i Davida sahady ny filazana hoe: «Novonoin’i Absalôma tsy nasiany iray niangana ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra!»
31 Nitsangana ny mpanjaka, norovitiny ny fitafiany, dia nandry tamin’ny tany izy; ny mpanompony rehetra nitoetra teo koa, sady rovi-pitafiana avokoa izy ireo.
32 Ary niteny i Jônadaba zanak’i Semaà, rahalahin’i Davida, ka nanao hoe: «Aoka ny tompoko tsy hilaza fa maty avokoa ny zazalahy rehetra, zanaky ny mpanjaka; i Amnôna irery no maty. Zavatra teo am-bavan’i Absalôma izanyhatramin’ny andro nametavetan’i Amnôna an’i Tamara anabaviny.
33 Ary ankehitriny dia aoka tsy hataon’ny mpanjaka tompoko fa hoe ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra no maty, i Amnôna irery ihany no maty.
34 Ary i Absalôma dia lasa nandositra.»
Ary natopin’ity zatovo nalatsaka ho mpitily ny masony dia nijery izy ka indreny nisy andian’olona maromaro, avy amin’ny lalana any andrefana, any amin’ny ilany nisy ny tendrombohitra.
35 Dia hoy i Jônadaba tamin’ny mpanjaka: «Indreo tamy tokoa ny zanaky ny mpanjaka; araka ny voalazan’ny mpanomponao no nahatanterahan’ny zavatra.»
36 Vao tapitra ny teniny, dia tonga ny zanaky ny mpanjaka, ary nanandra-peo nitomany izy ireo ka nirotsaka be dia be koa ny ranomasin’i Davida mbamin’ny mpanompony rehetra.
37 I Absalôma kosa nandositra tany amin’i Tôlomaia zanak’i Amioda, mpanjakan’i Gesora. Ary i Davida nisaona ny zanany isan’andro isan’andro.
Nifampiraharaha ny amin’ny hiverenan’i Absalôma i Jôaba
38 Nandositra i Absalôma nankany Gesora, dia tany izy telo taona.
39 Ary i Davida nitsahatra tamin’ny hoe hanenjika an’i Absalôma, fa efa afaka ny alahelony tamin’ny nahafatesan’i Amnôna.