Categories
1Samoela

1Samoela 6

Naverina ny Fiaran’ny Fanekena

1 Fito volana no nipetrahan’ny Fiaran’i Iaveh tany amin’ny Filistinina,

2 dia nantsoin’ny Filistinina ny mpisorona mbamin’ny mpimasy, nilazany hoe: «Hatao ahoana ity Fiaran’i Iaveh? Lazao anay izay famerina azy amin’ny fitoerany».

3 Ary hoy ny navaliny: «Raha mamerina ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin’izay dia ho sitrana ianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan’ny tanany taminareo».

4 Ka hoy ny Filistinina: «Inona no fanati-panonerana hataonay aminy?»

5 Dia hoy ny navaliny: «Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ny andrian’ny Filistinina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andrianareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany no anomezo voninahitra ny Andriamanitr’i Israely; fa angamba Izy hitsahatra tsy hanampatra ny tanany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.

6 Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?

7 Koa ankehitriny manaova sarety iray vaovao, ary mangalà omby vavy roa mitaiza, tsy mbola nitondra jioga; afehezo amin’ny sarety ny ombivavy, ary ny zanany ento lavitra azy any an-tranon’omby.

8 Dia alaovy ny Fiaran’i Iaveh, apetraho eo ambonin’ny sarety, ary apetraho ao anilany anaty vata kely, ireo fanaka volamena homenareo ho fanati-panonerana, ka alefaso izy dia handeha any.

9 Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»

10 Dia nataon’ny olona izany; naka omby vavy roa mitaiza izy, nafehiny tamin’ny sarety, ary nohidiany tao an-tranon’omby ny zanany;

11 dia napetrany teo ambony sarety ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny vata kely nisy ny totozy volamena sy ny sarim-bainy.

12 Avy hatrany dia ny lalana mankany Bety-Samesy no nalehan’ireto omby vavy. Nizotra tamin’izany lalana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin’ny ankavanana izy, na ho amin’ny ankavia. Narahin’ny andrian’ny Filistinina avy eo aoriany izy hatrany amin’ny faritanin’i Bety-Samesy.

Ny Fiara tany Bety-Samesy

13 Nijinja varimbazaha tany an-dohasaha ny olona tao Bety-Samesy. Nony nanopy ny masony izy dia nahatazana ny Fiara, ka nifaly nahita azy.

14 Tonga teo amin’ny sahan’i Jôsoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an’i Iaveh ny ombivavy.

15 Nony voampidin’ny Levita ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny vata kely teo akaikiny nisy fanaka volamena, dia napetrany teo ambonin’ilay vato lehibe. Nanatitra sorona dorana sy sorona ho an’i Iaveh ny mponina tao Bety-Samesy tamin’izany andro izany.

16 Rehefa nahita izany ireo andriana dimy amin’ny Filistinina, dia niverina tany Akarôna androtr’izay ihany.

17 Izao no vay volamena nomen’ny Filistinina ho an’i Iaveh ho fanati-panonerana: iray tamin’i Azota, iray tamin’i Gazà, iray tamin’i Askalôna, iray tamin’i Geta, iray tamin’i Akarôna.

18 Ny totozy volamena koa dia araka ny isan’ny tanànan’ny Filistinina rehetra an’ireo andriana dimy, na ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy misy manda. Vavolombelon’izany ny vatolampy lehibe izay nametrahana ny Fiaran’i Iaveh izay mbola eo amin’ny tanimbarin’i Jôsoe Betisamita mandrak’androany.

19 Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foanany Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alinano novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.

Ny Fiara tany Kariatiarima

20 Ary hoy ny olona tao Bety-Samesy: «Iza no ho velona eo anoloan’i Iaveh, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin’iza no hiakarany, avy eto amintsika?»

21 Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: «Naverin’ny Filistinina ny Fiaran’i Iaveh ka midìna ianareo hampiakatra azy ho any aminareo».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *