Categories
Deterônômy

Deterônômy 34

Ny nahafatesan’i Môizy

1 Niakatra avy eo an-tany lemak’i Moaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.

2 Ary nasehon’i Iaveh azy avokoa ny tany rehetra dia i Galaada hatrany Dana; i Neftalì rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny ranomasina andrefana;

3 Ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao; dia ny tanànan’ny rofia, hatrany Segôra.

4 Dia hoy i Iaveh taminy: «Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao».

5 Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia teo amin’ny tanin’i Moaba, araka ny didin’i Iaveh.

6 Ary nalevina teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Moaba, tandrifin’i Bety-Fogôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.

7 Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.

8 Nisaona an’i Môizy telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.

9 Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

10 Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony sahala amin’i Môizy izay fantatr’i Iaveh mifanatrika,

11 na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’i Iaveh azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin’i Faraôna sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,

12 na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *