Izay nahafaty olona sy ny tanàna fialofana
1 Rehefa voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena izay omen’i Iaveh anao ny taniny, rehefa voaroakanao izy, fa ianao no efa monina amin’ny tanànany sy ny tranony,
2 dia manokàna tanàna telo eo afovoan’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.
3 Ataovy tsara voatra ny lalana mankao, ary zarao ho faritany telo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao, mba hahazoan’izay mahafaty olona rehetra mandositra amin’ireo tanàna ireo.
4 Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha.
5 Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an’ala, miaraka amin’ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, fa mitsoaka amin’ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina.
6 Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.
7 Izany no anomezako anao izao didy izao: Manokàna tanàna telo.
8 Ary raha itarin’i Iaveh Andriamanitrao ny faritaninao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao; ka omeny anao avokoa ny tany rehetra nampanantenainy ny razanao homena anao,
9 raha toa ianao mitandrina sy manaraka izao didy rehetra omeko anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao sy amin’ny fizorana amin’ny lalany mandrakariva, – dia ampio telo koa ireo tanàna telo ireo,
10 mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.
11 Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo,
12 dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin’ny tanànany, sy hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba ho faty izy.
13 Aza miantra azy ny masonao fa esory amin’i Israely ny ra tsy manan-tsiny, dia hiadana ianao.
Ny orim-bato
14 Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.
Ny vavolombelona
15 Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin’ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin’ny vavolombelona roa na tenin’ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.
16 Raha misy vavolombelona mitsangana hanomboka olona ho nanao heloka,
17 dia hiseho eo anatrehan’i Iaveh izy roalahy miady, eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara izay tompon’anjara raharaha amin’izany andro izany;
18 ary hanao famotorana tsara ny mpitsara, koa raha hita fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona, fa nanao filazana tsy marina niampangany ny rahalahiny,
19 dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin’ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.
20 Rehefa handre izany ny olon-kafa dia hatahotra ary tsy hisy sahy hanao zavatra ratsy tahaka izany eo aminao intsony.
Ny valy araka ny natao
21 Aza miantra maso akory: aina no solon’ny aina, maso no solon’ny maso, nify no solon’ny nify, tanana no solon’ny tanana, tongotra no solon’ny tongotra.