Categories
Deterônômy

Deterônômy 17

1 Aza atao sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao ny omby na zanak’ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.

2 Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,

3 ka lasa mankamin’andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan’ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao;

4 rehefa misy milaza izany aminao ka efa renao izany, dia fotory tsara, ka raha marina izany ary voaporofo tokoa izany, ka tanteraka tokoa teo imason’i Israely izany fahavetavetana izany,

5 dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.

6 Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana ho faty izay tokony ho faty, fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja tsy hamonoana azy.

7 Ny tanan’ny vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

Ny Levita mpitsara

8 Raha misy ady momba ny vonoana olona, na fifanolanana, na fandratràna olona, zavatra ifandirana ao anaty vavahadinao, ka ataonao sarotra loatra, dia hitsangana ianao ary hiakatra any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao;

9 dia handeha hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, sy ny mpitsara izay tompon-draharaha amin’izany andro izany. Hila hevitra aminy ianao ka hambarany aminao izay araka ny lalàna.

10 Dia ataovy araka izay didim-pitsarana hatorony anao, any amin’ny fitoerana nofidin’i Iaveh, ary tandremo mba hifanaraka tsara amin’izay hampianariny no hataonao.

11 Araka ny lalàna ampianariny anao sy ny didim-pitsarana holazainy aminao no ataovy, fa aza mivily amin’izay hambarany anao, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

12 Hoheloin-ko faty izay mety hoentim-piavonavonana, ka amin’ny ataony dia tsy hihaino ny mpisorona mitoetra eo hanompoany an’i Iaveh Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara. Izany no hamongoranao ny ratsy eo amin’i Israely.

13 Fa hatahotra ny vahoaka rehetra rehefa mandre izany, ka tsy hety hoentim-piavonavonana intsony.

Ireo mpanjaka

14 Raha avy izay hahatafidiranao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any ianao, ka manao hoe: Mba te-hana-mpanjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;

15 dia izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjaka hifehy anao; eo afovoan’ny rahalahinao ihany no hangalanao mpanjaka izay hatsanganao hifehy anao, fa ny olon-kafa firenena, izay tsy rahalahinao, dia tsy ho azonao halaina ho mpanjakanao.

16 Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.

17 Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao mivily ny fony, ary aoka tsy hamory volafotsy sy volamena be miavosa izy.

18 Raha vao tafapetraka amin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hosoratany amin’ny boky anankiray ho azy ny dikan’izao lalàna izao, ka hataony mifanaraka amin’ilay ao amin’ny Levita mpisorona.

19 Ho eny aminy sy hovakiny amin’ny andro rehetra iainany izany, mba hianarany hatahotra an’i Iaveh Andriamaniny sy hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy izao fitsipika rehetra izao, amin’ny fanarahana azy,

20 mba tsy hisandratan’ny fony ambonin’ny rahalahiny, ary tsy hiviliany ny didy na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho lava andro ao amin’ny fanjakany izy sy ny taranany eo afovoan’i Israely.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *