1 Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
2 Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.
3 Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
4 Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
5 tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
6 tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;
7 manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
8 Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.
9 Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika;
10 ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany.
11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza.
12 Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
13 Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.