Categories
Deterônômy

Deterônômy 10

Ny fiaran’ny fanekena sy ny nifidianana an’i Levì

1 «Tamin’izany andro izany dia hoy i Iaveh tamiko: Mandidia takela-bato roa tahaka ireo voalohany, ka miakara ho atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra, ary manaova koa fiara hazo anankiray,

2 dia hosoratako amin’ireo takelaka ireo ny teny tamin’ny takela-bato voalohany nomontsaninao, ka hataonao ao anaty fiara izany.

3 Dia nanao fiara anankiray tamin’ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tanako.

4 Nosoratany teo amin’ireo takelaka ireo izay voasoratra tamin’ny voalohany, dia ny teny folo, izay efa nolazain’i Iaveh taminareo, teny an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia natolotr’i Iaveh ahy izany.

5 Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin’ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian’i Iaveh ahy.»

6 Niala tao Berôta-Bene-Jakàna ny zanak’i Israely hankany Môserà. Tao no nahafatesan’i Aarôna sy nandevenana azy; i Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.

7 Niala tao izy ireo hankany Jetebata tany be sakeli-drano.

8 Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.

9 Izany no tsy mba hananan’i Levỳ zaratany na lova eo amin’ny rahalahiny, fa i Iaveh no lovany, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitrao taminy.

10 Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha no nitoerako tany an-tendrombohitra dia nihaino ahy indray i Iaveh tamin’ity, ka tsy sitrak’i Iaveh ny nandrigana anao.

11 Hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna; aoka ianao hialoha lalana ny vahoaka, aoka izy hiditra sy haka ho azy ny tany efa nianianako tamin’ny razana homena azy ireo.»

Famorana ny fo

12 Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;

13 ary amin’ny fitandremanao ny didin’i Iaveh sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao?

14 Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.

15 Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’i Iaveh ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.

16 Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo.

17 I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,

18 fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.

19 Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.

20 Matahora an’i Iaveh Andriamanitrareo, manompoa Azy; miraiketa aminy, ary ny Anarany no ataovy fianianana.

21 Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ny zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.

22 Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo, fa ianao kosa ankehitriny dia efa nataon’i Iaveh Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *