Categories
Fanisana

Fanisana 36

Lova ho an’ny vehivavy manambady

1 Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:

2 «Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.

3 Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.

4 Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»

5 Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.

6 Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;

7 dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.

8 Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.

9 Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»

10 Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada.

11 Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanaka vavin’i Salfaada: I Maalà, i Tersà, i Heglà, i Melkà sy i Nôà;

12 nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.

13 Ireo no didy aman-dalàna nomen’i Iaveh ny zanak’i Israely tamin’ny alalan’i Môizy, teo an-tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *