1 Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy araka izay rehetra nandidian’i Iaveh azy.
Lalàna momba ny voady
2 Niteny tamin’ny lohan’ny fokon’i Israely i Môizy nanao hoe:
3 Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.
4 Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,
5 ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
6 Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.
7 Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,
8 ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
9 Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.
10 Ny voady nataon’ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.
11 Raha ao an-tranon’ny lahy no nivoady ny vehivavy nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany,
12 ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
13 Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.
14 Ny voady amam-pianianana rehetra amehezany tena hampahory ny fanahiny, dia azon’ny lahy araikitra, ary azon’ny lahy foanana.
15 Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.
16 Raha atỳ aorian’ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.
17 Izany no lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy.