Categories
Fanisana

Fanisana 25

I Israely any Fogôra

1 Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,

2 ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin’ny fisoronana nataony tamin’ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin’ny andriamaniny ny vahoaka.

3 Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.

4 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»

5 Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.»

6 Ary inty nisy lehilahy anankiray amin’ny zanak’i Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Môizy sy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.

7 Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany,

8 nanaraka ilay lehilahy Israelita tao anatin’ny lay ka nandefona azy roaroa, dia ralehilahy Israelita sy ilay vehivavy, tamin’ny kibony. Nitsahatra tamin’izay ny loza teo amin’ny zanak’i Israely.

9 Nisy 24.000 no matin’ny loza.

10 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

11 «I Finea, zanak’i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin’ny zanak’i Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan’izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak’i Israely Aho tamin’ny fahazotoako hitandro ny voninahitro.

12 Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;

13 dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»

14 Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.

15 Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.

16 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 «Ataovy fahavalonareo ny Madianita, ka vonoy ireny,

18 fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *