Categories
Fanisana

Fanisana 23

1 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.»

2 Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama, ary samy nanateran’i Balàka sy i Balaama vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy teo ambonin’ny ôtely.

3 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.

Faminanian’i Balaama

4 Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.»

5 Dia nanisy teny tao am-bavan’i Balaama i Iaveh sy nanao taminy hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao lazaina aminy.»

6 Niverina nankany aminy izy, ka inty i Balàka sy ireo andriandahin’i Moaba nitoetra teo anilan’ny sorona dorany;

7 ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe:

«I Balàka nampaka ahy avy tany Arama;

Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy,

avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana;

Avia, ozòny i Jakôba!

Avia, tezera amin’i Israely!

8 Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra?

Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh?

9 Fa eto an-tampon’ny vatolampy aho mahita azy,

Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy;

Ka firenena manana fitoerana manokana izy,

Fa tsy mba hampidirina amin’ny fanisana ny firenena.

10 Iza no mahisa ny vovok’i Jakôba,

Na mahisa ny ampahefatr’i Israely?

Enga anie ka ho toy ny fahafatin’ny olo-marina ny fahafatiko,

Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!»

11 Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?»

12 Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»

13 Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»

14 Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.

15 Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eto anilan’ny sorona doranao; fa izaho handeha arỳ hihaona amin’i Iaveh.»

16 Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.»

17 Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?»

18 Ary i Balaama nilaza ny lahateniny ka nanao hoe:

«Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa,

Mampandria sofina, ry zanak’i Sefôra:

19 Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga,

Na zanak’olombelona ka hanenina.

Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka,

Na miteny ihany fa tsy manefa?

20 Indro efa nahazo teny hitso-drano aho;

Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.

21 Tsy mahita faharatsiana amin’i Jakôba Izy,

tsy mahita tsy fahamarinana amin’i Israely.

I Iaveh Andriamaniny no momba azy;

Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;

22 Andriamanitra no namoaka azy avy tany Ejipta,

Ary manan-kery toy ny ombimanga izy.

23 Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba,

Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely,

Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety

Izay tian’Andriamanitra hotanterahina.

24 Indro firenena miarina toy ny liom-bavy,

Sy mitsangana mova tsy ny liona!

Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany,

Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.»

25 Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Aza manozona azy, ary aza mitso-drano azy.»

26 Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»

27 Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»

28 Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra.

29 Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa.»

30 Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *