Categories
Fanisana

Fanisana 12

Monomonon’i Maria sy i Aarôna

1 Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.

2 Hoy izy ireo: «Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no nitenenan’i Iaveh? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va izy?»

3 Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.

Valy nataon’Andriamanitra

4 Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.

5 Ary i Iaveh nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny trano lay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo;

6 ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.

7 Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.

8 Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iavehizy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»

9 Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy.

10 Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.

Tarainan’i Aarôna sy i Môizy

11 Ary hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany.

12 Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.»

13 Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.»

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»

15 Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.

16 Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *