Categories
Fanisana

Fanisana 7

Fanatitra sarety

1 Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,

2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin’i Israely izay filohan’ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan’ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

3 Nentiny teo anatrehan’i Iaveh ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin’ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin’ny filohany roa, ary omby iray, avy amin’ny filohany iray. Teo anoloan’ny Fonenana no nanolorany an’ireo.

4 Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

5 «Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin’ny raharahany avy.»

6 Dia noraisin’i Môizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin’ny Levita.

7 Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak’i Gersôna, araka ny ilainy amin’ny raharahany.

8 Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.

9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.

Fanatitra hitokanana ny ôtely

10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.»

12 Ka tamin’ny andro voalohany, dia i Nahasôna, zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Jodà no nanolotra ny fanatiny.

13 Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;

14 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

15 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana,

16 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

17 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.

18 Tamin’ny andro faharoa, i Natanaely zanak’i Soara, filohan’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny.

19 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra,

20 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra,

21 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

22 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

23 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Natanaely zanak’i Soara.

24 Tamin’ny andro fahatelo dia an’i Eliaba zanak’i Helona, filohan’ny taranak’i Zabolôna.

25 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

26 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra;

27 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

28 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

29 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliaba, zanak’i Helona.

30 Tamin’ny andro fahefatra dia an’i Elisora zanak’i Sedeora, filohan’ny tarana-dRobena;

31 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

32 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

33 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, sorona dorana;

34 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

35 ary omby roa, ondralahy dimy, zanak’ondry dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisora zanak’i Sedeora.

36 Tamin’ny andro fahadimy, an’i Salamiela zanak’i Sorisadaia, filohan’ny zanak’i Simeôna,

37 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

38 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

39 vantotr’ombalahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

40 osy lahy iray ho sorona noho ny ota,

41 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia.

42 Tamin’ny andro fahenina an’i Eliazafa, zanak’i Doela, filohan’ny zanak’i Gada,

43 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

44 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

45 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

46 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

47 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliefaza zanak’i Doela.

48 Tamin’ny andro fahafito, an’i Elisamà zanak’i Amioda, filohan’ny zanak’i Efraima;

49 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

50 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

51 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

52 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

53 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisamà zanak’i Amioda.

54 Tamin’ny andro fahavalo, an’i Gamaliela, zanak’i Fadasora, filohan’ny zanak’i Manase;

55 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

56 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

57 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

58 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

59 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Gamaliela zanak’i Fadasora.

60 Tamin’ny andro fahasivy an’i Abidàna zanak’i Jedeôna, filohan’ny zanak’i Benjamina;

61 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

62 lovia kely volamena iray, feno zava-manitra;

63 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

64 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

65 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.

66 Tamin’ny andro fahafolo, an’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa, filohan’ny zanak’i Dana;

67 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

68 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

69 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

70 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

71 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa.

72 Tamin’ny andro faha-11, an’i Fegiela zanak’i Okrana, filohan’ny zanak’i Asera;

73 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

74 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

75 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

76 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

77 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Fegiela zanak’i Okrana.

78 Tamin’ny andro faha-12, an’i Ahirà, zanak’i Enàna, filohan’ny zanak’i Neftalì;

79 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

80 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

81 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

82 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

83 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahirà zanak’i Enàna.

84 Ireo no fanomezana avy amin’ny filohan’i Israely, tamin’ny fitokanana ny ôtely, tamin’ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy 12, kapoaka volafotsy 12, ary lovia kely volamena 12.

85 Ny lovia volafotsy lanjana 130 sikla avy; ary ny kapoaka, 70 avy, ka 2.400 sikla, araka ny sikla masina, no totalin’ny volafotsy amin’ireo fanaka ireo,

86 Ny lovia kely volamena 12, feno zava-manitra, dia samy 10 sikla avy, araka ny sikla masina; 120 sikla no totalin’ny volamenan’ny lovia kely.

87 Ny totalin’ny biby hatao sorona, dia vantotr’ombalahy 12; ondralahy 12 sy zanak’ondry 12, efa iray taona, mbamin’ny fanatitra momba azy; osy lahy 12, hatao sorona noho ny ota;

88 Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.

89 Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa.

Ary niteny taminy izy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *