Sorona noho ny ota
1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,
A. Otan’ny mpisorona
3 Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.
4 Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.
5 Ny mpisorona efa voahosotra haka amin’ny ran’ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana,
6 hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamban’ny fitoerana masina.
7 Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.
8 Halana avokoa ny saboran’ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin’ny tsinainy,
9 ny voany roa sy ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ary ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany,
10 toy ny fanalana izany amin’ny ombalahy atao sorom-pihavanana, hodorany izany hanetona eo ambonin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.
11 Fa ny hoditry ny ombalahy, ny henany rehetra, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny tain-drorohany,
12 ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin’ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin’ny antontan-davenona no handorany azy.
B. Otan’ny vahoaka Israely
13 Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,
14 rehefa fantatra ny ota nataony, dia vantotr’ombalahy iray no haterin’ny fiangonana, ho sorona fanonerana, hoentiny eo anoloan’ny trano lay fihaonana.
15 Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.
16 Ny mpisorona voahosotra hitondra amin’ny ran’ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana;
17 dia hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito, eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamba;
18 hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.
19 Raha efa izany, halaina daholo ny saboran’ny vantotr’ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.
20 Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.
21 Havoakany ho any ivelan’ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan’ny fiangonana.
D. Otan’ny mpifehy
22 Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,
23 rehefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny;
24 hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan’i Iaveh, fa fanatitra noho ny ota izany.
25 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.
26 Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.
E. Otan’ny olona sarambabem-bahoaka
27 Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy,
28 rehefa fantany ny helony, dia osy vavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony.
29 Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.
30 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
31 Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.
32 Raha zanak’ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.
33 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy ho sorona fanonerana, eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.
34 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
35 Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.