Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 13

Ny nanirahana azy mirahalahy

1 Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.

2 Raha nanao fanompoam-pivavahanatamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»

3 Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tananatamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Tany Sipra. I Elimasy mpanao mazia

4 Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe, ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.

5 Nony tonga tany Salamìna izy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny sinagogan’ny Jody; nentin’izy ireo hiaraka taminy koa i Joany ho mpanampy azy.

6 Ary rehefa nitety ny nosy manontolo izy ireo ka tonga tany Pafôsy, dia nahita Jody anankiray atao hoe Barjesoa mpamoha angatra sy mpaminany sandoka,

7 izay nitoetra tao amin’ny governora Serjio Paoly lehilahy hendry. Nampanalain’ity governora i Barnabe sy i Paoly, fa naniry handre ny tenin’Andriamanitra izy.

8 Nefa nanohitra azy roa lahy i Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan’ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana.

9 Tamin’izay dia feno ny Fanahy Masina i Saoly, izay atao hoe koa Paoly, ka nibanjina azy,

10 sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy?

11 Ary indro ankehitriny, hamely an’ialahy ny tanan’ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan’ny fotoana.» Niaraka tamin’izay, dia nosaronan’ny haizim-pito izy.

12 Nony nahita izany ny governora, dia talanjona ka nino ny fampianaran’ny Tompo.

Tonga tany Antiôkia any Pisidia izy roa lahy

13 Dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perja any Panfilia; ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema.

14 Fa izy ireo kosa niala tany Perja, dia tonga tany Antiôkia any Pisidia, ary niditra tao amin’ny sinagoga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.

15 Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagoga nanao hoe: «Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.»

16 Dia nitsangana i Paoly, nanofa tanana azy hangina, ka nanao hoe:

Toritenin’i Paoly teo anatrehan’ny Jody

«Mihainoa, ry Israelita, sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.

17 Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.

18 Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,

19 ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaàna Izy dia nanome ny faritan’ireny ho fananany,

20 tokony ho dimampolo sy efajato taona. Taorian’izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoely mpaminany.

21 Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona.

22 Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.»

23 Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely.

24 Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;

25 ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: «Tsy izaho no Ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho.»

26 Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,

27 satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakina isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy;

28 ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.

29 Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy, vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.

30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.

31 Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.

32 Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,

33 fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany, tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona, araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:Zanako Ianao; Izaho no niteraka Anao androany.

34 Ary voalazany fa natsangany ho velona Izy, ka tsy hiverina amin’ny lo intsony, tamin’ny teny hoe:Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an’i Davida;

35 ary tamin’ny teny hafa koa hoe:Tsy havelanao ho tratry ny lo ny Masinao.

36 Raha i Davida aloha, dia nody mandry izy rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny androny, ka nakambana tamin’ny razany, sytratry ny lo;

37 fa izay natsangan’Andriamanitra ho velona no tsytratry ny lo.

38 Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa Izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin’ny Lalàn’i Môizy,

39 dia ao aminy no anamarinana an’izay rehetra mino mba ho afaka amin’izany.

40 Koa mitandrema ianareo fandrao dia iharan’izay voalazan’ny mpaminany hoe:

41 Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna ianareo; fa Izaho hanao zavatra anankirayamin’ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.

42 Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahiny mba hilaza izany teny izany indray amin’ny sabata manaraka.

43 Rehefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny prôselita nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Tenin’i Paoly sy i Barnabe tamin’ny Jentily

44 Tamin’ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.

45 Fa feno fialonanany Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.

46 Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: «Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho ianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.

47 Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianareo, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazantany».

48 Faly ny Jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin’ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

49 Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.

50 Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.

51 Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo, dia lasa nankany Ikonioma,

52 ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *