Fahitana fahadimy: ny haharavan’ny toerana masina
1 Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtelyaho,
ka hoy izy: «Asio ny koronosy,
ary aoka hihozongozona ny tokonana;
dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra!
Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra;
tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.
2 Raha mitsofoka ho any amin’ny Seoly izy ireo
hotsoahan’ny tanako avy any;
raha miakatra any an-danitra,
hampidiniko avy any.
3 Raha miery any an-tampon’i Karmela izy,
hotadiaviko any, sy halaiko ihany;
ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy,
hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.
4 Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy,
hodidiako hamono azy any ny sabatra.
Ka hifàntoka aminy ny masoko,
nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.
Fiderana an’Andriamanitra
5 Ny Tompo Iavehn’ny tafika
mikasika ny tany ka miempo izy,
ary misaona avokoa ny mponina eo aminy;
misondrotra tahaka an’i Nila izy manontolo,
ary mietry tahaka ny onin’i Ejipta izy.
6 Manao ny ambaratonganyany an-danitra izy,
ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany;
miantso ny ranoeo amin’ny ranomasina izy,
dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany;
Iaveh no Anarany.
Tsy hotsimbinina i Israely
7 Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko,
ry zanak’i Israely? – teny marin’i Iaveh. –
Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,
sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?
8 Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh
mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota;
ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy.
Ny mpanota ihany no ho faty
Nefa tsy dia hofongorako manontolotsy akory
ny taranak’i Jakôba, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –
9 Fa indro efa hamoaka didy Aho,
ka hosivaniko any amin’ny firenena rehetra any ny taranak’i Israely,
toy ny fanasivana vary amin’ny sivana,
ka tsy hisy latsaka amin’ny tany ny voa tsara.
10 Ho fatin’ny sabatra avokoa ny mpanota, amin’ny vahoakako,
izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza
tsy hahatratra anay akory ny loza.
4. MBOLA HITSANGANA NY FANJAKAN’I DAVIDA KA HIARINA
11 Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
12 mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
– teny marin’i Iaveh, – izay manao izany zavatra izany.
13 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –
ka ny mpiasa tanyhahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
14 Hampodiko indray ny baboamin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
15 Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotana intsony hiala amin’ny tany,
izay efa nomeko azy», hoy i Iaveh Andriamanitrao.