Categories
Osea

Osea 14

1 Hofaizina i Samaria,

fa niodina tamin’ny Andriamaniny;

ho lavon-tsabatra izy ireo!

hotorotoroina ny zanany madinika;

ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.

3. FIBEBAHAN’I ISRAELY SY FAMITRANAM-PIHAVANANA NY HO AVY

2 Miverena amin’i Iaveh, ry Israely,

fa ny helokao no nahalavo anao.

3 Mitondràteny ianareo, miaraka aminareo,

ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe:

Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.

Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy

ny teny avy amin’ny molotray.

4 I Asora tsy hamonjy anay,

izahay tsy hitaingin-tsoavaly;

na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô!

amin’ny asan’ny tananay.

Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!

5 Hositraniko ny fiodinany;

ho tiako amin’ny foko tokoa izy,

fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6 Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;

ka haniry toy ny lisy izy,

ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.

7 Ny rantsany hisandrahaka;

ny voninahiny, ho toy ny an’ny fototr’ôliva,

ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.

8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,

hampahavokatra ny vary indray;

haniry toy ny voaloboka izy;

ary ho tahaka ny divain’i Libànany anarany.

9 Efraima… Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?

Izahono efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;

tahaka ny sipresamaitso Aho;

Izaho no iavian’ny voanao.

Fampitandremana farany

10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,

izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.

Fa mahitsy ny lalan’i Iaveh;

ka ny marina no hizotra eo,

fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *