Fahoriana any an-tsesitany
1 Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely,
na amin’ny firavoravoana toy ny firenena.
Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao,
efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga,
teny am-pamoloana rehetra teny.
2 Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka,
tsy hisy hamelana azy ireo,
ary ny divay vaovao handà azy.
3 Tsy honina eo amin’ny tanin’i Iaveh izy ireo;
fa hiverina ho any Ejipta i Efraima,
ary hihinana ny zava-padìna any Asiria izy ireo.
4 Tsy hanolotra divayho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy:
ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony;
fa toy ny fahan-kanina fisaonanaizany aminy,
ka haloto izay mihinana amin’izany;
satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany,
fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.
5 Inona no hataonareo amin’ny fety lehibe,
amin’ny andro fetin’i Iaveh?
6 Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan’ny fandringanana:
i Ejipta handray azy, ary i Memfisyhandevina azy;
ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin’ny beroberok’amboa
ny lainy ho tongan’ny tsilo.
Manambara sazy ny mpaminany ka enjehina
7 Tonga ny andro famaizana!
Tonga ny andro fanodiavana;
vetivety ho fantatr’i Israely izany.
Adala ny mpaminany,
ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana,
noho ny haben’ny helokao
sy ny fanoheranao mafy.
8 Ny tilin’i Efraimadia ao amin’ny Andriamanitro;
fandriky ny mpamandri-borona avokoa,
no eny amin’ny alehan’ny mpaminany,
ary fanenjehana no any amin’ny tranon’ny Andriamaniny.
9 Simba hatrany am-potony izy ireo,
toy ny tamin’ny andron’i Gabaà;
hotsarovan’i Iaveh ny helony,
ary hovaliany ny fahotany.
Voasazy ny fanompoan-tsampy tao Beelfgôra
10 Tahaka ny voaloboka any an’efitra
no ahitako an’i Israely;
tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora
no nahitako ny razanareo.
Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo,
sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta,
ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
11 Nihelina toy ny voromanidina, ny voninahitr’i Efraima;
tsy hisy intsony ny hiteraka na hanana anaka,
na hotorontoronina.
12 Na hitaiza ny zanany aza izy,
hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny;
satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
13 Raha nitodi-maso nankany Tira Aho, dia indreo i Efraima
voavoly eo amin’ny tanim-bilona mahafinaritra;
kanjo i Efraima efa nitondra ny zanany ho any amin’ny mpamono.
14 Omeo azy, Iaveh ô! …Inona no homenao azy?…
Omeo azy ny kibo momba, sy ny nono ritra.
Voasazy ny heloka tao Galfalà
15 Any Galgalà ny faharatsiany rehetra;
fa tany no vao nankahalako azy.
Noho ny faharatsian’ny ataony,
horoahiko hiala ao an-tranoko izy;
tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho,
mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 Voa i Efraima, maina ny fakany,
tsy hanoa intsony izy ireo;
ary na dia miteraka aza izy,
hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.
17 Harian’ny Andriamanitro izy,
satria tsy nihaino Azy,
ka ho mpirenireny foana eny amin’ny firenena.