Heloka mihanaka
1 Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely,
fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh,
satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana
na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.
2 Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga,
mamono, mangalatra, maka vadin’olona;
ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka
mifanolotra ny ra nalatsaka.
3 Noho izany, misaona ny tany,
ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy,
hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina;
ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.
Famelezana ny mpisorona
4 Nefa aza misy manohitra,
aza misy mitaraina,
fa efa toy ny manana adyamin’ny mpisorona ny firenenao.
5 Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro;
hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminanyamin’ny alina;
ary hataoko levona ny reninao.
6 Very noho ny tsy fahalalanany vahoakako;
noho ianao nanary ny fahalalana,
dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao.
Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao;
ka hanadino ny zanakao koa Aho.
7 Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko;
ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.
8 Mivoky amin’ny fahotan’nyvahoakako izy ireo;
ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.
9 Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka;
hofaizako izy, noho ny lalany
ary hatsingeriko aminy ny asany.
10 Hihinana izy fa tsy ho voky;
hijangajanga fa tsy hitombo;
satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.
Fanompoan-tsampy sy faharatsiana fotsiny ny fivavahan’i Israely
11 Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.
12 Ny tapa-kazonyno ilàn’ny vahoakako saina,
ary ny tehinyno manoro azy ny ho avy,
fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako,
ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
13 Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy,
mandoro emboka eny amin’ny havoana,
eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta,
satria tsara alokaloka ireny.
Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo,
sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,
14 samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany,
na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona;
satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga,
sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy.
Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Fampitandremana an’i Jodà
15 Raha ianao no mijangajanga, ry Israely,
aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka!
aza mankany Galgalàna miakatra any Betavena
ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
Vantotr’omby vavy maditra i Israely
16 Satria i Israely efa naditra,
toy ny vantotr’ombivavy mitokona;
ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy
toy ny zanak’ondryeny amin’ny tany lemaka malalaka.
17 Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima;
avelao izy ho eo!
18 Raha vao avy misotro izy ireo,
dia rafitra mijangajanga.
Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.
19 Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra,
ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.