Categories
Ezekiela

Ezekiela 47

Loharano avy ao amin’ny Tempoly

1 Nentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny tranoindray aho. Ary indro nisy rano nivoakaavy ao ambanin’ny tokonan’ny trano, amin’ny lafiny atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny anoloan’ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafitrano ankavanana tao atsimon’ny ôtely.

2 Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany mitodika miantsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana.

3 Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.

4 Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy nita ny rano aho, ka havalahana ny rano.

5 Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitana intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itana milomano, ony maria tsy azo itana amin’izao.

6 Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, nahita va ianao?» Dia nentiny niverina ho eo amoron’ny ony maria aho.

7 Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron’ny ony maria eo an-daniny roa.

8 Hoy izy tamiko: «Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana; hidina ho any amin’ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina; hoentiny mankany amin’ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manana aina mihetsiketsika any amin’izay halehan’ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.

10 Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.

11 Fa ny honahona sy ny heniheny kosa, tsy hovana ho mahasalama fa havela ho an’ny sira.

12 Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.»

Faritry ny tany masina

13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.

14 Samy hanana anjaraavokoa ianareo, dia anjara amin’io tany nampanantenaiko io, efa nananganako tanana, homena ny razanareo, ka dia ho tonga fanananareo izany tany izany.

15 Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin’ny ranomasina lehibe amin’ny lalan’i Hetalôna mankany Sedada.

16 Ny tany Hamata, Berôtà, ary Sabarima, anelanelan’ny faritanin’i Damasa sy ny faritanin’i Hamata; Hatzera-Tikôna, eo amin’ny faritanin’ny Haoràna.

17 Ka izao no faritany hatramin’ny ranomasina: Hatzera-Henôna, ny sisin-tanin’i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra.

18 Ny atsinanana: Hatramin’ny faritra mampisaraka an’i Haoràna sy i Damasa, dia eo anelanelan’i Galaada sy ny tanin’i Israely no alehan’ny faritra amin’ny tany dia i Jordany. Hatramin’ny sisin-tany avaratra, ka hatramin’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.

19 Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.

20 Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin’io sisin-tany io, ka hatramin’ny hadilan-tanin’ny Hamata. Izany no lafiny andrefana.

21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany, araka ny fokon’i Israely.

22 Amin’ny filokàna no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loa-jaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin’ny zanak’i Israely, izy ireo, ka filokàna no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin’ny fokon’i Israely.

23 Ao amin’izay foko itoeran’ny vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *