Categories
Ezekiela

Ezekiela 44

Fandehanana eo amin’ny alo-baravarana atsinanana

1 Dia nentiny niverina aho, tamin’ny lalana mankamin’ny alo-baravarana ivelany amin’ny fitoerana masina mitodika miantsinanana; nikatona io.

2 Ary hoy i Iaveh tamiko: Hikatona ity alo-baravarana ityfa tsy hivoha na hidiran’olona akory, fa io no nidiran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ka hikatona izy.

3 Ary ny amin’ny mpanapaka, noho ny maha-mpanapaka azy, dia hipetraka eo izy, hihinan-kaninaeo anatrehan’i Iaveh; eo amin’ny efitrano fidirana ho ao amin’ny alo-baravarana no hidirany, ary eo amin’io lalana io ihany koa no hivoahany.

Fepetra fidirana sy fialana ny Tempoly

4 Nony avy eo, nentiny mankamin’ny alo-baravarana avaratra aho, eo anoloan’ny trano; ka nahita ny voninahitr’i Iaveh nameno ny trano, dia niankarapoka nihohoka aho.

5 Ary hoy i Iaveh tamiko: Ry zanak’olona, mitandrema tsara, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, izay rehetra holazaiko aminao ny amin’ny fandaharana rehetra momba ny tranon’i Iaveh sy momba ny lalàny rehetra. Tandremo tsara ny amin’izay tsy maintsy miditra ho ao an-tranon’i Iaveh, amin’ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.

6 Lazao amin’ireo mpiodina amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay fahavetavetanareo rehetra, ry taranak’i Israely,

7 dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.

8 Ianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatro masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana soa.

9 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy misy hiditra ao amin’ny fitoerako masina amin’ireo taranaky ny hafa firenena tsy mifora fo na mifora nofo akory, rehefa mety ho taranaky ny hafa firenena eo amin’ny zanak’i Israely.

Ny Levita

10 Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.

11 Izy ireo, ao amin’ny fitoerako masina, dia ho mpanompo miandry ny varavaran’ny trano, sy manao fanompoana ao amin’ny trano; izay ireo no hamono ho an’ny vahoaka ny zavatra hatao sorona dorana, na sorona hafa, ary hijanona eo anatrehan’ny vahoaka hanompo azy.

12 Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan’ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak’i Israely tamin’ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tanana hamely azy Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – nianiana fa hitondra ny helony izy.

13 Tsy hanatona Ahy hanao ny raharahan’ny fisoronana izy ireo na hanakaiky ny zavatro masina rehetra, eo amin’ny fitoerana masina indrindra, fa hivesatra ny fahafaham-barakany aman-tsazin’ny fahavetavetana nataony.

14 Hataoko miandraikitra ny fanompoana momba ny trano, rehefa mety ho raharaha fanao ao, sy izay rehetra tokony hatao ao.

Ny mpisorona

15 Fa ireo Levita mpisorona, taranak’i Sadôka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin’ny nivilian’ny zanak’i Israely nanalavitra Ahy, dia izay ireo no hanatona Ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

16 Izy ireo no hiditra ao amin’ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana Amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy.

17 Rehefa miditra ny alo-baravaran’ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon’ondry eny aminy, rehefa manao ny fanompoana eo amin’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.

18 Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo aminy, ary tsy hietra zava-mahatsemboka azy izy.

19 Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin’ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hoesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin’ny efitranon’ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin’ny fitafiany izy.

20 Ny lohany tsy hoharatany, ary tsy havelany haniry ny volony ho lava fa hihety volon-doha izy.

21 Rehefa mety no mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin’ny kianja anatiny.

22 Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na voasaotra; fa izay virjiny, iray razana amin’ny taranak’i Israely ihany; hahazo manambady vehivavy mpitondratena novinadin’ny mpisorona efa maty.

23 Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio;

24 izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarana. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin’ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako.

25 Tsy hisy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireo; hany azony handotoan-tena dia noho ny rainy, ny reniny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, ny anabaviny tsy manam-bady.

26 Ary rehefa vita fandiovan-tena izy dia hanisana andro fito;

27 ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

28 Izao no lova ho azy ireo: Izaho no ho lovany; tsy homenareo zaratany eo amin’i Israely izy; fa Izaho no ho anjarany.

29 Ny hiveloman’izy ireo dia ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ary ny sorona noho ny fahadisoana; ary izay rehetra hatao anatema amin’i Israely, dia ho azy ireo avokoa.

30 Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.

31 Ny biby maty na voaviravira rehetra, na vorona na biby, dia tsy hohanin’ny mpisorona.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *