Ilay sedera
1 Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2 Ry zanak’olona, lazao amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany maro hoe:
Tahaka an’iza moa ianao, amin’ny fahalehibeazanao?
3 Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna,
tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana,
ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.
4 Ny rano be nampitombo azy,
ny rano lalina, nahalehibe azy,
tamin’ny nampandehanany ny oniny,
tamin’ny manodidina ny fitoerana nambolena azy,
sy tamin’ny nandefasany ny sakeli-dranony,
ho ao amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 Noho izany ny vatany nijoroaka,
lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha;
ny sampany nihalehibe;
ny rantsany, nihalava,
noho ny habetsahan’ny rano, tamin’ny fotoana nitomboany.
6 Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany;
ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany;
ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.
7 Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany,
sy ny halavan’ny sampany,
fa latsaka lalina tao amin’ny rano betsaka
ny fakany.
8 Ny sedera ao amin’ny sahan’Andriamanitra,
tsy nahamatroka azy;
ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany;
ary ny platàna tsy tahaka ny rantsany;
ary ny hazo tao amin’ny sahan’Andriamanitra,
tsy nisy tsara tarehy toa azy.
9 Nataoko tsara tarehy izy amin’ny hamaroan’ny rantsany,
ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena,
dia izay rehetra ao amin’ny sahan’Andriamanitra.
10 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratany ny fony,
11 dia natolotro izy ho eo an-tanan’ny andriamanitry ny firenena hataony amin’izay sitrapony; noroahiko izy, noho ny haratsiany.
12 Notapahin’ny hafa firenena – firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, – navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.
13 Ny tapatapany ahatongavan’ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan’ny biby rehetra any an-tsaha:
14 mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.
15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny Seoly, nampanao fisaonana Aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny rano be, niato; i Libàna nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.
16 Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.
17 Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin’ny Seoly, nankany amin’ireo matin’ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin’ny alokalony, teo afovoan’ny firenena.
18 Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-