Categories
Ezekiela

Ezekiela 19

Fitomaniana an’ireo mpanjakan’i Israely

1 Ary ianao, manaova fitomaniana an’ireo mpanapaka an’i Israely, ka ataovy hoe:

2 Nahoana ity reninao, no nandry toy ny liombavy,

eo amin’ireo liondahy?

Eo afovoan’ireo liona tanora

dia namelona ny zanany izy.

3 Nobeaziny ny iray amin’ireo zanany,

ka tonga liona tanora;

nianatra hamiravira ny hazany io;

dia nihinana olona.

4 Nandre ny lazany ireo firenena,

ka voasambotra tao an-davany izy.

Nitondra azy rehefa nasiany faraingo ny vavany,

ho any amin’ny tany Ejipta.

5 Hitan’ity liom-bavy fa miandry foana izy

fa very ny fanantenany,

dia naka iray hafa tamin’ireo zananyindray izy,

ka nataony tonga liona io.

6 Nandeha teo amin’ireo liona io,

ka tonga liona tanora.

Nianatra hamiravira ny hazany izy,

dia nihinana olona.

7 Nahalala ny mpitondra tena eo aminy izy,

nandrava ny tanànany;

nivadi-po ny tany mbamin’izay rehetra teo aminy,

noho ny fitreron’ny fierony.

8 Tamin’izany ny firenena amin’ny tany manodidina

nanainga hamely azy

sy namela-pandrika harato teo amboniny,

dia azony tao an-davany izy,

9 ka nalatsany amin’ny fonja,

nasiany faraingo ny vavany,

nentiny ho amin’ny mpanjakan’i Babilôna,

nentiny ho any amin’ny trano mimanda,

mba tsy handrenesana ny feony intsony,

eny an-tendrombohitr’i Israely.

10 Toy ny voaloboka ny reninao tamin’ny andro nanambinana anao,

voavoly teo amoron-drano izy,

namoa sady nandravina,

noho ny habetsahan’ny rano.

11 Nanan-drantsana mafy izy,

hatao tehin’ny mpanapaka,

ary nisondrotra ho avo izy

eo afovoan’ny sampana milobolobo;

ka niseho tamim-boninahitra izy,

mbamin’ireo rantsany maro.

12 Kanjo, nongotana tamin-katezerana

ka nazera amin’ny tany,

ary ny rivotra avy atsinanana nanamaina ny voany:

voafolaka ka nihamaina ny rantsany mafy,

dia levon’ny afo izy.

13 Ary ankehitriny, indro izy nambolena any an’efitra,

amin’ny tany maina sy karankaina.

14 Nisy afo nivoaka avy amin’ny sampany anankiray,

ka nandevona ny voany;

tsy manan-tsampana mahery intsony izy,

na tehina fanapahany.

Fitomaniana izany, sady ho tonga fitomaniana.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *