Categories
Ezekiela

Ezekiela 15

Fanoharana amin’ny foto-boaloboka

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona,

Inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka,

noho ny tahon’ny hazo hafa rehetra,

noho ny rantsan-kazo

izay isan’ireo hazo any an’ala?

3 Moa mba fangalàn-kazo, hanaovan-javatra va izy?

Na mba fangalana hombo hanantonan-javatra akory?

4 Atao ao anaty afo izy, holevoniny,

dia levon’ny afo ny laniny roa;

may koa ny tenantenany;

ka azo atao inona indray izy?

5 Fony mbola tsy nahafahana aza izy,

tsy azo nanaovana na inona na inona;

ka mainka rehefa kila sy main’ny afo,

ho azo atao inona intsony?

6 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

toy ny tahom-boaloboka any amin’ny hazo an’ala,

izay hazo atolotra ho levon’ny afo,

no hanolorako ny mponina ao Jerosalema.

7 Hitodika hanandrina azy ny Tavako;

afa-nandositra ny afo izy, nefa levon’ny afo ihany indray;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho,

rehefa atodiko hanandrina azy ireo ny Tavako.

8 Ary ataoko zary efitra ny tany,

noho izy ireo nivadika;

– teny marin’i Iaveh Tompo. –

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *