Tohin’ny fahotan’i Jerosalema
1 Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.
2 Dia hoy i Iaveh tamiko: «Ry zanak’olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin’ity tanàna ity, manao hoe:
3 ‹Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.›
4 Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak’olona.»
5 Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin’i Iaveh; ka hoy Izy tamiko: «Mitenena hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Izany no teneninareo, ry taranak’i Israely! Fantaro ny mby ao an-tsainareo.
6 Nohamaroinareo ny vonoana olonatamin’ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny lalam-be.
7 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan’ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa ianareo kosa havoaka hiala eto.
8 Mataho-tsabatra ianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, – teny marin’i Iaveh Tompo. –
9 Havoakako hiala eto an-tanàna ianareo, ka hatolotro eo an-tanan’ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsaràko Aho.
10 Ho lavon-tsabatra ianareo, ary hotsaraiko any amin’ny sisin-tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.
11 Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; ianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin’i Israely no hitsarako anareo.
12 Ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh izay tsy narahinareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo.»
13 Mbola naminany teo aho, dia maty i Feltiasa zanak’i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina tamin’ny feo avo nanao hoe: «Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin’i Israely.»
Fanekem-pihavanana vaovao ampanantenaina an’ireo voasesitany
14 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
15 «Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›
16 Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.
17 Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.
18 Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra.
19 Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;
20 mba hizorany amin’ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21 Fa ry zareo manana fo manaraka ny fon-tsampinyvetaveta kosa, dia hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony», – teny marin’i Iaveh Tompo.
Ilaozan’ny voninahitr’i Iaveh i Jerosalema
22 Tamin’izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo ambonin’izy ireo.
23 Ary nisondrotra avy teo ambonin’ny afovoan-tanàna, ny voninahitr’i Iaveh, ka nijanona teo an-tampon’ilay tendrombohitra eo atsinanan’ny tanàna.
24 Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;
25 ary notantaraiko tamin’ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan’i Iaveh ahy.