Ny sazy
1 Dia niantso mafy teo an-tsofiko Izy nanao hoe: «Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.»
2 Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambonymitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankirayteo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
3 Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely, niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano. Ary i Iaveh niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony,
4 ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Taony handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
5 Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: «Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
6 Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
7 Ary hoy Izy taminy: «Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha ianareo!» Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.
8 Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»
9 Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.
10 Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo Aho; hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony.»
11 Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: «Vitako izay nandidianao ahy.»