Categories
Ezekiela

Ezekiela 8

Fahitana ny fahotan’i Israely indray

1 Tamin’ny taona fahenina, andro fahadimin’ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tanan’i Iaveh Tompo.

2 Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin’afo; ka ny hatramin’izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin’ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy.

3 Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.

4 Ary indro teo ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely; ary ny fijery azy dia tahaka ilay nahitako azy, tany amin’ny lohasaha.

5 Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonanaio.

6 Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»

7 Dia nentiny ho eo am-bavahadin’ny kianja aho, ka nahatazana aho: ary indro nisy loaka anankiray teo amin’ny rindrina.

8 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, gorobahy ny rindrina.» Dia nogorobahako ny rindrina, ka indro nisy varavarana teo.

9 Ary hoy izy tamiko: «Avia, jereo ireto fahavetavetana mahatsiravina ataony eto.»

10 Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandadyamam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra.

11 Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasazanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.

12 Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»

13 Ary hoy koa izy tamiko: «Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon’izy ireo.»

14 Dia nentiny aho, ho eo anoloan’ny vavahady, mitodika mianavaratra, amin’ny tranon’i Iaveh, ka indreo, ny vehivavy nipetraka teo, mitomany an’i Tamoza.

15 Ary hoy Izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola hahita fahavetavetana hafa lehibe noho izany, ianao.»

16 Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.

17 Ka hoy izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an’ny taranak’i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka niverenany hatao lalandava izay hampahatezitra Ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin’ny orony.

18 Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *