Tenin’Andriamanitra mamely ny Filistinina
1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraônatsy mbola namely an’i Gazà.
2 Izao no lazain’i Iaveh:
Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra;
dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka,
ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,
na ny tanàna, na ny mponina.
Mihorakoraka ny lehilahy,
ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.
3 Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny,
sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany:
tsy miherika izay zanany intsony ny rainy,
fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.
4 Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro
handringanana ny Filistininarehetra;
handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana
amin’i Tira sy i Sidona;
fa horavan’i Iaveh ny Filistinina,
izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
5 Tonga mangadihady loha i Gazà;
levona i Askalôna,
mbamin’ny lohasaha manodidina azy.
Mandra-pahoviana ianao no mbola hiteti-tena ihany?
6 Indrisy, ry sabatr’i Iaveh,
mandra-pahoviana no tsy hanam-pitsaharana ianao?
Midira indray ao amin’ny tranonao,
miatoa ary mandria!
7 Hataonao ahoana moa no fitsahatra,
fa nomen’i Iaveh didy ianao?
Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina
no itarihany azy.