2 – ANDININDININY AMIN’IREO TENIN’ANDRIAMANITRA
1 Tenin’i Iavehtonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ireo firenena mpanompo sampy.
Tenin’Andriamanitra mamely an’i Ejipta- Ho resy i Karkemisa
2 Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i NekôFaraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.
3 Vonòny ny ampinga kely aman’ampinga be ka mandrosoa hiady!
4 Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly;
Miakara ambony soavaly ianareo mpitaingina azy!
Ianareo misatroka fiarovan-doha, milahara!
Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.
5 Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo
ka miamboho lahy!
Resy ny mpiadiny!
Mandositra tsy miherika akory izy ireo!
Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza,
– teny marin’i Iaveh. –
6 Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra!
ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka!
Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata,
indro izy mivembena dia lavo.
7 Iza izao miakatra hoatra an’i Nila
sy misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be?
8 I Ejipta izao miakatra hoatra an’i Nila izao,
ka misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be,
Hoy izy: «Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany,
haringako ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.
9 Mandrosoa, ry soavaly; mirimorimoa, ry kalesy!
Miaingà, ry mpiady!
Ry Etiôpianina sy Libianina mitana ampinga,
Ry Lidianina, mitana sy manenjana tsipìka!»
10 Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity,
andro famaliana, hamaliany ny fahavalony!
Mihinana ny sabatra ka mivoky,
etsaky ny ran’ireny izy;
fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao,
any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.
11 Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra,
Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta.
Mampitombo ny fanafody foana ianao;
fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.
12 Ren’ny firenen-tsamihafa ny henatrao;
manenika ny tany ny fikiakiakanao;
fa ny samy mahery no mifandona;
ka samy lavo izy roa tonta.
Fanafihana an’i Ejipta
13 Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:
14 Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla,
ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa;
ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna;
fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!
15 Hanky! efa lavo ny maherinao,
tsy nahajoro izy,
satria nazeran’i Iaveh amin’ny tany izy.
16 Hamaroiny ny isan’izay tafintohina,
ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe:
«Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika,
sy any amin’ny tany nahaterahantsika,
lavitra ny sabatra mahafaty olona.»
17 Izao no fiantsoantsony any: «Voa i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta;
nandiso ny fotoana mety izy!»
18 Velona Aho, – teny marin’ny Mpanjaka,
tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika:
Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra,
tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.
19 Fehezo ny entanao, entan-tambotra,
ry mponina zanaka vavin’i Ejipta,
fa indro i Nôfa ho zary tany efitra;
hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.
20 I Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra,
fa misy fihitra tonga avy any avaratra.
21 Ny mpikarama eo aminy kosa,
hoatra ny zanak’omby voafahy.
Indreny miamboho koa izy ireo
dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy,
fa nihatra taminy ny androm-pahoriana,
dia ny fotoana hamaliana azy.
22 Ny feony diahoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha;
satria marobe izy ireo no tonga,
dia tonga eo aminy, mitondra famaky,
sahala amin’ny mpikapa hazo.
23 Nokapain’ireo ny alany, – teny marin’i Iaveh, –
nefa nikitroka efa izaitsizy;
satria maro noho ny valala izy ireo,
ka efa tsy tambo isaina.
24 Mangaihay ny zanaka vavin’i Ejipta;
natolotra eo an-tanan’ny firenena any avaratra izy!
25 Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:
Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô,
sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany,
ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.
26 Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo,
dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,
sy eo an-tanan’ny mpanompony.
Fa any aorian’izany, vao honenana izy,
toy ny tamin’ny andro taloha, – teny marin’i Iaveh.
27 Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko,
aza manam-badi-po, ry Israely.
Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra,
ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.
Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,
handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.
28 Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,
– teny marin’i Iaveh, – fa momba anao Aho!
Haringako avokoa ny firenena rehetra
nandroahako anao.
Fa ianao kosa tsy mba haringako.
Hofaizako ara-drariny anefa ianao,
fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.