Categories
Izaia

Izaia 62

Tononkalo faharoa fiderana an’i Jerosalema tafatsangana indray

1 Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho,

ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,

mandra-piposaky ny fahamarinany,

hoatra ny hazavan’ny maraina;

sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny,

hoatra ny fanilo.

2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena,

hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,

ka hantsoina amin’ny anaram-baovaoianao,

izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.

3 Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao,

sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.

4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»;

ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.»

Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»;

ary ny taninao «i Vady ampakarina».

Satria i Iaveh hankasitraka anao;

ary ny taninao hahazo vady.

5 Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny,

no hampakaran’ny zanakao anao;

ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra,

no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

6 Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema,

no efa nametrahako mpiambina;

ka tsy hangina intsony ireny,

na andro na alina.

7 O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô,

aza mitsahatra ianareo;

ary aza avelanareo hitsahatra Izy,

mandra-panangany an’i Jerosalema indray,

sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.

8 I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana

sy tamin’ny sandriny mahery hoe:

«Ny varinao tsy homeko

hohanin’ny fahavalonao intsony,

ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao,

vokatry ny fisasaranao.

9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy,

ka hidera an’i Iaveh;

ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy,

eo amin’ny kianjan’ny fitoerako masina».

10 Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo,

areno ny lalan’ny vahoaka.

Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy;

manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.

11 Izao no nambaran’i Iaveh,

hatrany amin’ny faran’ny tany:

«Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe:

Indro, avy ny Mpamonjy anao;

ny valisoa homeny efa eny aminy;

ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.

12 Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,›

‹Ny navotan’i Iaveh›;

ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›,

‹Tanàna tsy foy› ».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *