I Iaveh irery no miasa sady Tompon’ny ho avy
1 Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba,
ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely;
nateraky ny loharanon’i Jodà,
mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh,
ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely,
nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
2 Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo,
sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely,
izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
3 Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela;
naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso;
ary tampoka Aho dia nanao,
ka tanteraka ireo zavatra ireo.
4 Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka,
ary anjam-by ny vozonao,
sy varahina ny handrinao,
5 dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany;
nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany,
fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany;
ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
6 Efa nandre izany ianao;
jereo fa tanteraka avokoa izy;
fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo?
Ankehitriny mampandre anao zava-baovaoAho,
dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
7 Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha;
hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao,
fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»
8 Tsy mbola nandre izany ianao,
tsy nahalala izany ianao;
tsy mbola nandre izany velively ny fonao.
Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra,
ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe
mpivadika.
9 Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho,
ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho,
mba tsy hamongorana anao.
10 Indro fa nandrendrika anao Aho,
nefa tsy nahazo volafotsy;
ary nizaha toetra anao tamin’ny memin’ny fahoriana Aho.
11 Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny
fitiavako ny Tenako no hanaovako izany;
satria ahoana no hanazimbana ny Anarako?
Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.
Olon-tian’i Iaveh i Sirosy
12 «Mihainoa Ahy, ry Jakôba,
sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko;
Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.
13 Ny tanako ihany no nanorina ny tany,
ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra;
izaho no miantso azy ireo,
dia tonga miaraka amin’izay izy.
14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa:
Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany?
Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela,
ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. –
15 Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy;
nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
16 Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao:
Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho;
hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho;
– Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo,
maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
Ny nokasain’i Iaveh hanaovana an’i Israely
17 Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao,
ilay Masin’i Israely:
«Izaho Iaveh, Andriamanitrao,
mampianatra anao mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
18 Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny ony ny fiadananao;
ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19 ho tahaka ny fasika ny taranakao;
dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao;
tsy hoesorina ny anarany,
na hovonoina eo anatrehako.»
Hira nialana avy ao Babilôna
20 «Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina,
amin’ny hobin-kafaliana!
Torio izany, ataovy antso avo koa,
ampandreneso hatrany am-paran’ny tany!
Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra
an’i Jakôba mpanompony!
21 Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy;
fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo;
mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano.
Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»