Categories
Izaia

Izaia 47

Fitomaniana an’i Babilôna

1 Midìna, mipetraha amin’ny vovoka,

ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna;

mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana,

ry zanaka vavin’ny Kaldeanina;

fa ianao tsy hantsoina intsony hoe:

Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina.

Esory ny voalinao;

akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao,

fa hita ny ony.

3 Aoka hiharihary ny fitanjahanao, aoka ho hita ny fahamenaranao!

Fa hamaly faty Aho, ka tsy misy olona hananako antra. –

4 Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika,

ilay Masin’i Israely! –

5 Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina,

ry zanaka vavin’ny Kaldeanina;

fa ianao tsy hantsoina intsony hoe:

ilay tompovavin’ny fanjakana.

6 Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho,

ka navelako hozimbaina ny lovako,

dia natolotro ho eo an-tananao izy.

Tsy nanananao antra izy;

nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.

7 Ary hoy ianao: «Tompovavy ho amin’ny mandrakizay aho!»

ka dia tsy mba nandinika izany akory ianao,

na mba nitsapa izay hiafaran’izany rehetra izany.

8 Fa ankehitriny, mihainoa, ry ilay nihantahanta,

izay nipetraka tsy nanana ahiahy akory,

sy nilaza tao am-ponao hoe:

«Izaho ity, dia izaho irery ihany!

tsy ho mpitondratena na oviana na oviana aho,

na hofoanana anaka!»

9 Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao,

tampoka, indray andro monja,

dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena,

ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany,

na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao,

na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.

10 Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao,

nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!»

Ny fahendrena amam-pahaizanao,

dia izany no nanodòka anao

raha ianao nanao anakampo hoe:

«Izaho ity, dia izaho irery ihany!»

11 Indro, ho tonga aminao ny loza,

tsy azonao sakanana;

hianjera aminao ny antambo,

tsy azonao ahodivitra,

ary hanjò anao ny faharavana tampoka,

tsy nampoizinao velively akory.

12 Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao,

sy amin’ireo odinao marobe,

izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao.

Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao;

sao mba mety hampahatahotra, ianao!

13 Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao;

ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo,

izay mpandrefy ny lanitra,

sy mpandinika ny kintana,

izay manambara, isaky ny tsinam-bolana,

ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.

14 Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary;

hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy,

amin’ny herin’ny lelafo;

fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity

na afo hitaninana eo anoloany!

15 Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena,

ireo nifampiraharahanao, hatramin’ny hatanoranao:

samy mipariaka amin’izay alehany avy izy,

fa tsy misy hamonjy anao!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *