Tenin’Andriamanitra manasoa an’i Sirosy
1 Izao no lazain’i Iaveh, amin’ilay voahosony, amin’i Sirosy,
izay notantanako tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireompanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:
2 «Izaho handeha eo alohanao,
handravona ny lalana mikitoantoana,
hanorotoro ny vavahady varahina,
ary hanapatapaka ny hidy vy.
3 Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona,
mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh,
Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
4 I Jakôba mpanompoko, sy i Israely voafidiko,
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
5 Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho!
Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy;
6 mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!»
Fanambaràna famonjena
Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.
7 Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.
8 Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin’izany!
Izaho Iaveh no maharyireo zavatra ireo.
Tsy refesi-mandidy i Iaveh
9 Loza ho an’izay miady hevitraamin’ilay namorona azy,
nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy.
Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe:
«Inona ity ataonao?»
Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»
10 Loza ho an’izay manao amin-dray anankiray hoe: «Nahoana no niteraka ianao?»
na amin’ny vehivavy iray hoe: «Nahoana no velom-bao ianao?»
11 Izao no lazain’i Iaveh,
ilay Masin’i Israely sy izay namorona azy:
«Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin’ny ho avy,
dia ny hanome didy Ahy ny amin’ny zanako sy ny asan’ny tanako?
12 Izaho no nanao ny tany,
sy nahary ny olona eo amboniny;
izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako,
izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
13 Izaho no nanangana azyio, tamin’ny fahamarinako,
ka mandravona ny lalany rehetra;
Izy no hanangana ny tanànako indray,
sy hampody ny oloko voababo,
tsy amin’avotra na fanatitra,»
hoy i Iavehn’ny tafika.
Hanaraka an’i Iaveh ireo tsy mpino
14 Izao no lazain’i Iaveh:
«Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia,
sy ny Sabeanina olona lava tsanganana,
dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao,
fa izy ireo dia hanaraka anao;
ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao,
ary hifompona aminao, hanao hoe:
Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa.
Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»
15 Marina tokoa fa Andriamanitra miafina Ianao,
ry Andriamanitr’i Israely mpamonjy ô!
16 Menatra sy mangaihay avokoa izy rehetra,
lasa mandeha amin-kenatra ny mpanao sampy.
17 Fa i Israely kosa novonjen’i Iaveh amin’ny famonjena mandrakizay;
tsy ho menatra na hangaihay intsony ianareo,
amin’ny taona ho avy.
Miharihary ny asan’i Iaveh
18 Fa izao no lazain’i Iaveh,
Izay nahary ny lanitra,
Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany,
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony zava-mifanjevo foana,
fa nataony fonenana:
«Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
19 Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho,
tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany.
Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe:
Aoka hitady foana anie ianareo!
Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina,
manambara ny fahamarinana.»
I Iaveh no Andriamanitry ny olona rehetra
20 Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona,
ry sisan’ny firenena izay afaka.
Tsy mahalala na inona na inona
izay mitondra ny sampy hazony,
sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
21 Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy;
ary aoka hiara-misaina avokoa izy!
Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany,
sy manambara izany hatramin’ny ela?
Tsy izaho Iaveh va?
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho;
Izaho no Andriamanitra marina,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
22 Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo,
ianareo rehetra mponina amin’ny tany,
fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
23 Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;
ny marina no aloaky ny vavako,
dia ny teny iray, izay tsy hofoanana;
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
24 Izao no hilazan’ny olona ahy: Amin’i Iaveh irery
no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery!
Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa
izay rehetra tezitra taminy.
25 Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa,
ny taranak’i Israely rehetra.