Categories
Izaia

Izaia 35

Fitsaràn’Andriamanitra

1 Hifaly ny efitrasy ny tany karankaina,

hiravoravo ny tany lemaka lava volo,

2 ary hamony tahaka ny narsisa;

hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana

ary hanao hoby firavoravoana izy.

Homena azy ny voninahitr’i Libàna

mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.

Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh,

sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.

3 Hatanjaho ny tanana osa,

herezo ny lohalika mangozohozo!

4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo;

tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,

tenany no avy, dia hamonjy anareo.

5 Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,

halady ny sofin’ny marenina.

6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,

hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.

Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;

ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.

7 Ny tany hay, hanjary ho farihy,

ary ny tany mangentana ho loharano.

Ny lavaka fonenan’ny amboadia hanjary

saham-bolotara aman-jozoro.

8 Hisy arabe, hisy lalana,

izay atao hoe ny lalana masina;

ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;

fa ho azy ireo ihany izy io;

izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.

9 Ao tsy mba hisy liona,

tsy hisy biby masiaka mandia ao,

tsy hisy ho hita ao.

Fa ny voavonjy no hizotra ao,

ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;

10 ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;

firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;

fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;

fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *