Categories
Izaia

Izaia 32

Ilay mpanjaka manaraka ny marina

1 Indro misy mpanjakahanjaka araka ny rariny;

ary ny mpifehyhitondra araka ny hitsiny.

2 Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra;

ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra;

tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina;

tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.

3 Ny mason’ny mahiratratsy hohajambaina intsony,

ny sofin’ny malady, hihaino tsara,

4 ny fon’ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina;

ny lelan’ny mikodedidedika, hahay miteny mazava.

5 Ny adala tsy mba antsoina hoe andrianaintsony;

ary ny mpihatsaravelatsihy, tsy ho lazaina hoe mahery mahery intsony.

Samy hafa ny adala sy ny andriana

6 Satria ny adala miteniteny foana,

ary ny ratsy no imasoan’ny fony,

mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana;

sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh,

mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo,

sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.

7 Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika,

mamoron-tsain-dratsy izy io,

hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana,

ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.

8 Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana,

sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.

Ny vehivavy kamo

9 Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna,

mihainoa ny feoko!

Ry zazavavy tsy manahy,

mampandria sofina amin’ny teniko.

10 Raha afaka herintaona mahery andro vitsy,

dia hangovitra ianareo tsy manahy,

fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy;

ny fanangonam-boa tsy hatao.

11 Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka!

mangovita, ry kala tsy manahy.

Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo,

misikìna lasàka.

12 Migogogogo ny olona mandondon-tratra

ny amin’ny saha mahafinaritra,

ny amin’ny tanimboaloboka mahavokatra!

13 Eo amin’ny tanin’ny vahoakako,

tsilo sy hery no maniry,

na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza

ao amin’ny tanàna ravoravo.

14 Fa ny lapa, nilaozana,

ny tanàna maresaka, zary tany foana;

Ofely sy ny Tilikambo fiambenana,

zary fierem-biby ho mandrakizay,

fikarenjen’ampondra dia,

ary fiandrasana biby fiompy.

Famonjen’i Iaveh

15 Mandra-pampidina ho ao amintsika,

ny Fanahy avy any ambony,

ka ny efitra ho tonga saha misy hazo mamoa,

ary ny sahan-kazo mamoa hatao ala:

16 Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra;

ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.

17 Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana

sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.

18 Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana,

eo amin’ny trano fonenana mahatoky,

eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.

19 Nefa ny ala, haripaky ny havandra;

ary ny tanàna, haetry ambany dia ambany.

20 Sambatra ianareo mamafy eny rehetra eny anilan’ny rano,

sy mamela ny tongotry ny omby aman’ampondra, hiriaria.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *