Hira fandresena
1 Amin’izany andro izany hohiraina
ao amin’ny tanin’i Jodàizao hira izao:
«Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony
mandany sy manda ivelany.
2 Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina,
mitana ny fahamarinana.
3 Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana,
dia fiadanana noho izy matoky anao.
4 Matokia an’i Iavehmandrakizay ianareo,
fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
5 Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy;
naniva ny tanàna miezinezina,
naniva azy amin’ny tany,
nataony mikasika ny vovoka Izy
6 ka voahosihosin’ny tongotra izy,
dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»
Salamo
7 Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina;
mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
8 Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh,
ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao,
no fanirian’ny fanahinay.
9 Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina;
ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao.
Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao,
dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
10 Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy
dia tsy mahalala ny fahamarinana;
ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy,
sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
11 Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo.
Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany
ka hangaihay izy ireo;
ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
12 Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao,
fa ny asanay rehetra
dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
13 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao
efa nanapaka anay koa;
fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.
14 Ny matytsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana,
fa efa nosavanao izy ka naringanao,
sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15 Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh,
nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao;
nitarinao halalaka ny faritry ny tany.
16 Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô,
noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
17 Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka,
miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany,
tahaka izany izahay eo anatrehan’ny tavanao, ry Iaveh.
18 Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jazaizahay,
dia tsy niteraka afa-tsy rivotra.
Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay,
ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
19 Ho velona indray ny olonao efa maty;
hitsangana indray ny fatin’ny oloko.
Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana,
ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka,
fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana;
ary ny tany hamoaka indray ny maty.
Tenin’Andriamanitra
20 Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao,
ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao;
miere vetivety foana,
mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
21 Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany,
hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany;
ary ny tany hampiseho ny raizay nofohiny,
ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.