Categories
Izaia

Izaia 24

Fitsarana

1 Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo

sy hanavitsy ny mponina aminy,

ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.

2 Ary ho sahala ihany

no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka,

ny tompo sy ny mpanompo,

ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy,

ny mpivarotra sy ny mpividy,

ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.

3 Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany,

fa izany no teny notononin’i Iaveh.

4 Ny tany misaona sy majifa;

izao tontolo izao, milofika sy majifa;

ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.

5 Voatolon’ny mponina aminy, ny tany,

satria izy ireo nandika ny lalàna,

nivadika tamin’ny didy,

nandrava ny fanekena mandrakizay.

6 Noho izany ny tany levon’ny ozona;

ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony;

ka dia levona ny mponina amin’ny tany,

fa vitsy ny isan’ny olona tavela.

Ho rava ny tanàna

7 Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika;

ireo nifaly am-po rehetra misento.

8 Nitsahatra ny feon’ampongatapaka falifaly,

tapaka ny fety be horakoraka,

nitsahatra ny feon-dokanga falifaly.

9 Tsy misy misotro divay intsony ny olona

eo am-pihainoan-kira;

ary mangidy amin’ny mpisotro azy,

ny fisotro mahamamo.

10 Rava ny tanàna fikorontanana;

mirindrina tsy azo idirana, ny trano rehetra.

11 Mihorakoraka eny an-dalambe ny olona,

fa tsy misy ny divay;

lasa tsy eo intsony ny hafaliany rehetra;

foana niala tamin’ny tany ny firavoravoana.

12 Korontan-javatra foana sisa, eo an-tanàna;

ary ny vavahady montsamontsana dia efa ravarava.

13 Fa ny hanjò ny eo afovoan’ny tany

eo amin’ny firenena,

dia tahaka ny amin’ny fikapohana ôliva,

tahaka ny amin’ny fitsimponam-boaloboka,

aorian’ny fitoazana azy.

14 Izay ireo manandratra ny feony, dia mihira;

mihoby, eny amin’ny ranomasina, ny voninahitr’i Iaveh hoe:

15 «Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana,

dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely,

any amin’ny nosy any andrefana.»

16 Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe:

«Voninahitra ho an’ny marina!» –

Fa hoy aho: «Maty aho!

Maty aho, loza ho ahy!

Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»

17 Fampitahorana sy longoa amam-pandrika

no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany.

18 Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka,

ary izay miakatra avy ao afovoan’ny longoa ho voan’ny fandrika.

Tohin’ny tononkalo momba-ny fitsarana

Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha;

ary ny fanorenan’ny tany, mihozongozona.

19 Mitresaka mafy dia mafy ny tany;

mipoaka mikotrokotroka ny tany;

mihozongozona mafy ny tany;

20 mivembena, hoatra ny olona mamo ny tany;

mitsingevingevina, hoatra ny fandriana mihantona izy;

mitambesatra aminy ny tsy fahamarinany;

mirodana tsy ho tafarina intsony izy.

21 Amin’izany andro izany i Iaveh hisava

any ambony ny tafika any ambony,

ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.

22 Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana

sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo,

ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.

23 Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika,

fa i Iavehn’ny tafika hanjaka

ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema,

ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *