Ny hanjò an’i Tira sy i Sidona
1 Faminaniana ny amin’i Tira.
Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa,
fa rava izy!
Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony!
Avy any amin’ny tany Setima,
no nandrenesany an’izany.
2 Aoka hitanàka, ianareo mponina amorontsiraka,
rakotry ny mpandranto avy any Sidona,
izay mitety ranomasina.
3 Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila,
ny vokatry ny ony, niditra ho hareny,
tsenan’ny firenena izy.
4 Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona,
fa efa niteny ny ranomasina,
ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe:
«Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka,
tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»
5 Rehefa handre izany vaovao izany i Ejipta
dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan’i Tira.
6 Mità ho any Tarsisaianareo, ka migogogogoa,
ry mponina amorontsiraka!
7 Ity va no renivohitrareo falifaly,
izay efa hatramin’ny andro fahagola ny fiandohany,
sy izay nentin’ny tongony
lasa lavitra hitoetra any.
8 Iza no nandidy izany,
hamelezana an’i Tira izay nanome satroboninahitra;
ary ny mpandrantony dia andriandahy,
ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin’ny tany?
9 I Iavehn’ny tafika no nandidy izany
mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra,
mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
10 Mieleza amin’ny taninao, tahaka an’i Nila,
ry zanaka vavin’i Tarsisa,
fa tsy manam-pehikibo intsony ianao.
11 I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina,
nampihorohoro ny fanjakana;
nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.
12 Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao,
ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona!
Mitsangàna, mità ho any Setima;
na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
13 Jereo ny tanin’ny Kaldeanina,
firenena mbola tsy nisy,
izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia
any an’efitra;
nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany,
nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!
14 Migogogogoa, ry Tarsisa, fa rava ny tanàna mimanda.»
Hofehezina i Tira
15 Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:
16 Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna,
ry kala janga hadino;
mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao,
mba hahatsiarovan’ny olona anao.
17 Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga:
hamangy an’i Tira i Iaveh,
ka handray ny tambiny indray izy,
dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetraeto an-tany,
manerana an’izao tontolo izao.
18 Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy,
fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina;
satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh,
hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.