Categories
Izaia

Izaia 22

Teny famelezana ny hafanam-pon’i Jerosalema be loatra

1 Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana.

Maninona ity ianao, no miakatra

ambony tafon-trano avokoa,

2 ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba,

ry vohitra miravoravo?

Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra,

na lavo an’ady.

3 Ny lehibenao indray nandositra avokoa,

voasambotra tsy amin-tsipìka;

ny vahoakanao indray azo avokoa,

teny am-pandosirana any lavitra any.

4 Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy,

aoka hitomany mafy aho!

Aza maimay hampionona ahy,

noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»

5 Fa andron’ny tabataba,

fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity,

ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika,

ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana;

ravana ny manda,

misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.

6 I Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka,

tamy izy mitondra kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly;

ary Kira nanala fono ny ampingany.

7 Feno kalesy ny lohasahanao tsara indrindra;

ary mitana fitoerana eo am-bavahadinao,

ny mpitaingin-tsoavaly.

8 Nalana tamin’i Jodà ny fisalobonany.

Teny famelezana ny fiomanan’ny tafika

Amin’izany andro izany dia manopy maso ianao,

mankany amin’ny fitahirizam-piadiana ao an-dapan’ny ala,

9 ary ny banga amin’ny tanànan’i Davida,

hitanareo fa betsaka.

Novorinareo ny rano amin’ny kamory ambany,

10 nisainareo ny trano ao Jerosalema

ary noravanareo ny trano hamboarana ny manda.

11 Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo,

halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy.

Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory,

Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.

12 Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo,

tamin’izany andro izany,

hitomany sy higogogogo,

hibory loha sy hisikina lasàka.

13 Kanjo fety amam-piravoravoana no hita;

manominda omby ny olona, mamono ondry,

mivoky hena sy misotro divay, manao hoe:

«Aoka hihinana sy hisotro isika,

fa ho faty ihany rahampitso.»

14 Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko:

«Tsy havela izany helokareo izany,

mandra-pahafatinareo»,

hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.

Teny famelezana an’i Sobnà

15 Izao no nolazain’ny Tompo Iavehn’ny tafika:

«Mandehana manatona an’io mpitandrina io,

dia i Sobnà, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao aminy hoe:

16 Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ,

no mihady fasana eto ianao;

mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao;

mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?

17 Indro i Iaveh hanipy anao amin’ny sandry mahery;

18 hanasangodina anao,

hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina,

eny amin’ny tany lemaka midadasika be.

Dia ho faty any ianao, ho any koa ny kalesy kantonao,

ry ilay henatry ny ankohonan’ny tompony ity.

Teny hafa famelezana an’i Sobnà

19 Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,

haongan’i Iaveh amin’ny raharahanao ianao.»

20 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:

Hiantso ny mpanompoko aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,

21 ka hampiakanjoako azy ny akanjo vitinao,

hampanaoviko azy ny samboadinao;

hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;

dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,

sy amin’ny taranak’i Jodà.

22 Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,

ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;

handrindrina izy, tsy hisy hamoha.

23 Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny fitoerana mafy izy,

ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

Antambo hanjò ny fianakavian’i Eliakima

24 Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra

amin’ny fianakavian-drainy,

dia ny zanaka aman-jafy,

ny fanaka madinika rehetra,

hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe.

25 Amin’izany andro izany –

teny ton’i Iavehn’ny tafika,-

hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy;

hombotana izy ka hianjera,

dia ho levona ny entana nahantona taminy;

fa efa niteny i Iaveh.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *